Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe izay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
izay
Hampiditra ohabolana
31.
Arahabao izay hita fa tsy fantatra izay ho rafozana.
Ny_Arlinah
32.
Tsy misy izay tsy ho kamboty,fa ny kamboty aman-kevitra no tena kamboty.
Ny_Arlinah
33.
Izay manan-tsira,mahay mahandro.
Ny_Arlinah
34.
Aza milaza ho tsy kitay,tsy vary maina;fa tsy fantatrao izay havoakan'ny ampitso.
Ny_Arlinah
35.
"aza midongy ho avo hoatra ny tandroka, na ho ambony hoatra ny trafo, fa tsy ny ambony no hajaina, fa izay hajaina no ambony"
tenymamy
36.
Ombilahy miasa, ka izay manao ihany no voakaravasy
Miarokimialy
37.
Aleo Maty Tampoka, Toy Izay Maty novonoina.
avoss Jah
38.
aleo maty amin'ny fahamarinana ,toy izay maty amin'ny fahadisoana.
avoss Jah
39.
Aleo Maty, Toy Izay Alan'olona
avoss Jah
40.
Aleo tara toy izay tsy misy.
Lahimatoa
41.
Aleo miandry rafozan-doza toy izay miandry hani-masaka..
Lahimatoa
42.
Aleo misoroka,toy izay sorohina.
Topher
43.
Izay tsy milalao sain-kanina, sakaiza-bilany vy kendakorona
zahoity
44.
Aza miveraka fa asio izay miahaka
bolihfriends
45.
Aleo manenina tsy nahazo toy izay manenina nahazo.
Lemonja
46.
Aleo mizara toy izay omena
randimbya
47.
Toko tapaka,vilany mitongilana;izay tsy mety arenina.
Topher
48.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
49.
Izay mahafaty ka aretina
angouz
50.
Izay mitovy ro milambagna
OZ16
51.
Izay to fo mpamosavy
OZ16
52.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy ka izay mandresy tsy hobiana ary izay resy tsy akoraina
OZ16
53.
Foto-kazo sy vorona ka izay tia manatona
OZ16
54.
Aza mba toy ny akoho fahanana: izay anipazana hanina endrehina daholo
ginyellow8
55.
Aleo maty olo-malaina toy izay vaky vilany mianefitra
landryjery
56.
Tanindrazan'ilay jamba , ka izay diavin'ny tongotra tanindrazana avokoa
eulalie15
57.
Mpifankatia mifanao ratsy ka izay mahavita be manenina
delemezy1
58.
aleo very solonify toy izay very solomaso,aleo very vady toy izay very zanaka
Hasnfan
59.
Izay manenjika ny osa mbola henjehin'ny mahery
jock
60.
Aza manao masoandro avy any atsinanana : ny avo ihany no taingenana ; fa manaova masoandro avy andrefana : izay mivoha idirana avokoa
jock
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0271