Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe izay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
izay
Hampiditra ohabolana
91.
Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano.Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady
FENOSOA2
92.
Aleo ny kely omban'ny fahamarinana toy izay ny harem-bevava azo amin'ny ts rariny
FENOSOA2
93.
Izay manao ny rariny manao hitsiny
yveratsimb
94.
Izay manondro lala-mahitsy mamindra aina
yveratsimb
95.
Ny fahadiovana sy ny filaminana, ny fiasana sy ny fitsitsiana : izay tokan-trano miorina amin'izany tsy mba ho rava
yveratsimb
96.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo ateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
yveratsimb
97.
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory ; fa izay mitapi-maso hahazo ozona be
yveratsimb
98.
Rafotsibe nita rano ka izay hahasoa taovin'Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita
yveratsimb
99.
Aleo mandroso ho faty toy izay miverin-ko may
yveratsimb
100.
Izay hajaina tsy ho andriana tsy akory, ary izay manaja tsy ho andevo tsy akory ; ka tsara ny mifanaja.
yveratsimb
101.
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
yveratsimb
102.
Longo ratsy tsy menatra izay hitsoriaka
yveratsimb
103.
Ataovy vikina alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
104.
Lon-damba sy fahenim-bary ; ka izay maharitra ela dia herinandro.
yveratsimb
105.
Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.
yveratsimb
106.
Ny fihavanana toa fasambazimba, ka izay mandrava aloha no tapak'ila
yveratsimb
107.
Ny teny toy ny antsy, izay maranitra no adidy.
aivetinakely
108.
Izay fatra-panova vady rava harena.
aivetinakely
109.
Aleo manambady fanahy toy izay manambady tarehy.
aivetinakely
110.
Tery omby ririnina ka atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany
yveratsimb
111.
Hazakazaka ambany farafara ka samy manala izay ho afany
yveratsimb
112.
Izay fatra-pandà ihany no manaiky
yveratsimb
113.
Izay fatra-piahiahy mpamosavy
yveratsimb
114.
Izay sahy maty no mifono lambamena
yveratsimb
115.
Aleo manontanitany foana hihomehezana, toy izay manaonao foana hitezerana
yveratsimb
116.
Ny teny toy ny vato , izay maivana no atoraka.
aivetinakely
117.
izay iray vatsy, iray aina
yveratsimb
118.
Akoho tsy naneno ohatr'izay lanin'ny kary
yveratsimb
119.
Ny fahazarana no lasa toetra ka fikiro izay fahazarana tsara.
niryna
120.
Izay mamafy rivotra mijinja ny fofony.
Laaris
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.031