Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe izay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
izay
Hampiditra ohabolana
181.
Lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy
niryna
182.
Samy miana-mandeha ka izay miraingiraingy no potraka aloha.
aivetinakely
183.
Zanaka sy ray aman-dreny, tambazako izay mahafoy.
aivetinakely
184.
Akanga miara-dia, tsy fantatra izay ray aman-dreny.
aivetinakely
185.
Adala misafidy, tsy ny tsara no raisina fa izay manintona.
aivetinakely
186.
Tsy mahataitra tahaka ny ranomason-jorery, izay miraraka de very.
aivetinakely
187.
Betsaka ny mandray ny toro-hevitra fa izay misaina ka mandray izany ihany no mahazo tombon-tsoa
niryna
188.
Ny toro-hevitra dia tsy raisintsika fa ny tena mila azy dia izay manda azy
niryna
189.
Izay tsy itan'ny maso dia mora adinon'ny saina
niryna
190.
Tsy fantatro loatra izay mahatafita ny olona fa raha te ho rendrika hianao dia omeo fahafapo ny rehetra
niryna
191.
Ny fihavanana dia toy ny trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
niryna
192.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
niryna
193.
Ny teny rehetra izay avoakan'ny vavanao no andraikitra lehibe ao aminao
niryna
194.
Izay aleha rehetra maneno sahona avokoa
niryna
195.
Aleo meloka amin'olombelona toy izay meloka amin'Andriamanitra
niryna
196.
Izay sahy maty ihany no mifono lambamena
niryna
197.
Ny eritreritra no avo indrindra toy ny papango rivotra izay misidina avo dia avo
niryna
198.
Izay tia resy, izay tiavina miangentsana.
aivetinakely
199.
Izay diso matahotra lany hery, fa ny matoky tena very namana
aivetinakely
200.
Tsy ho abado mandrakizay aho ka harian-dia amindramatoria lava.
aivetinakely
201.
Aza misafidy eo anoloan'ny akoho sy atody, fa tsy fantatra marina izay taloha.
aivetinakely
202.
Izay be famaritra ihany no voafaritra.
niryna
203.
Ny olona mety manahy izay teneninao fa mino kosa izy izay ataonao
niryna
204.
Izay manolotra ny tava ho tratry ny masoandro dia efa manantena ho may
niryna
205.
Izay tsy mino afatsy ny tenany irery ihany no miafara amin'ny fisaraham-panambadiana
niryna
206.
Ny olona izay tsy mino afatsy ny tenany ihany dia miaina ao anatin'ny maizina
niryna
207.
Belamaody tsy ampy sakafo ka aleo miakanjo toy izay noana.
ZEMJOS
208.
Aleo vady manam-panahy toy izay vehivavy tsara tarehy.
aivetinakely
209.
Aleo saina mahiratra toy izay vola be am-bata.
aivetinakely
210.
Izay tsara vady mahay miresaka, fa ny vady mpamitaka toa ny afo antampon-doha ka sady mandoro no mahafaty.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
9
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.046