Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe izay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
izay
Hampiditra ohabolana
151.
Fotsimbary an-karon-kerana, ka izay naleha, nipetrahany avokoa.
soanja
152.
Sendra izay nikentronany, hoy ilay nangoron-tsihy.
soanja
153.
Voarabe midoroboka endriky ny saha ka izay tandindominy, manga, izay alofany mavana.
soanja
154.
Taiza zaza be lelo, ka samy manindrahindra izay ananany.
soanja
155.
Tari-drano ririnina ka miainga amin'ny toerany fa tsy tonga amin'izay hilana azy.
soanja
156.
Fotaka ambaravarana ka samy manilika izay halehany.
soanja
157.
Aleo kely maro asa toa bonga kely , toy izay lehibe tsy mihetsika ka lotoin'ny sorohitra toa bongabe.
soanja
158.
Aleo maty toy izay menatra olona.
soanja
159.
Tsy izay hosoran-tsakay no mangidy, na izay hosoran-tantely no mamy.
soanja
160.
Vikin'alina ka aleo tafahoatra, toy izay latsaka.
soanja
161.
Fiarin amboa lahy antitra ka aleo lo toy izay ho ankavana
kiriah
162.
Tefy tanimanga ka aleo tovonana toy izay anesorana.
soanja
163.
Hano, kaikero! tsakotsakoy, raha resin'io ialahy tetitetehiko, avalako rano, omeko ny amboa, fa raha mahery rahavako voahangy, ividianako lamba, babeko maraina, tantanako hariva! Ndrofy lahy e! - Ireto teny fampiadiana angely fahizay.
soanja
164.
Tain'angely, ka samy mailika izay eo ambaravarany.
soanja
165.
Tsintsina mitondra vonin-tenina ka izay eran'ny vava no entina.
soanja
166.
Ondry lahy diso ketsa, ka izay sahy manome lasiventy.
soanja
167.
Izay vadana dia kary, na amboako na amboan'olona.
soanja
168.
Izay ady nolalovana ka naharesena na nahalavo dia hampatanjaka antsika amin'ny iray izay ho avy manaraka.
soanja
169.
Izay vahiny tonga miantrano ao aminao dia hevero toy ny noana sy reraka ary mangatsiaka ka karakarao mifandraika amin'izany izy na izy ireo.
soanja
170.
"Aleo sakafo anana hampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asiann-dromoromo" Aleo ny kely omban'ny fahamarinana toy izay harem-bevava azo amin'ny tsy rariny"
mpoon
171.
"Ny fiainana toy ny lalan'ny Gasikara, tsy ilaozan'izay miaka-midina"
mpoon
172.
Sotroranon'akoho, ka izay kely azo no andraindraina
walte
173.
Aleo lozabe ahombiazana toy izay malemy tsy azo
niryna
174.
Aleo vandana imaso toa izay kary afenina
niryna
175.
Raha nomen'Andriamanitra antsika avy izay tadiavintsika dia efa nesoriny sahady ny zavatra tsara ambony indrindra amintsika
niryna
176.
Mba hafa kely indray izay hoy ilay kisoa nihinan-tay
Ratianakel
177.
Aza atositosika ny sarimbavy fa tsy fantatra izay hanao feo voalohany.
Mahasahy
178.
Arahabarabao reny foza fa tsy fantatra izay ho rafoza.
litakelinineny
179.
Aleo mifanena amin'ny mpamosavy, toy izay mifanena amin'ny mpandainga
tianarivo
180.
Katsaka anaty lapoaly ka izay tsy mahatanty mipitika aloha.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
8
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.022