Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe saka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
saka
Hampiditra ohabolana
301.
Tsy mahatoky saka aho fa trondro no laoka
fily
302.
Mipapapapa ohatran'n'ny maso voa sakay
zouzou
303.
Fisaka ny rariny ka sarotra tadiavina
doum
304.
Raha lava ny ahitra very ny kisoa ary raha lava ny resaka very ny soa
doum
305.
mihinam-bary aza misy latsaka
jentilisa
306.
Alika miandry embok'akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena.
jentilisa
307.
ny kary no manao ny ataony ka ny saka no voatapa-drambo.
jentilisa
308.
mangata-dava tahaka ny saka!
jentilisa
309.
Aza manao sahala @ jamba mangery amoron-tevana ka latsaka aloan'ny tainy
fotaka
310.
Aza matikambo ôtran-ny saka ny tay totofana nefa ny vody tsy firana.
fotaka
311.
Nofon-kena an-tanan-tsaka: lasa tsy miverina intsony.
jentilisa
312.
Lalitra mitaingina omby, ny eritreritra betsaka fa ny hoenti-manana manify
JMR
313.
Ny resaka tsy mba masiso
JMR
314.
Tsy matoky saka fa trondro ny laoka
JMR
315.
Adin'akoholahy vorombato, ny iray torotoro, ny iray disadisaka.
jentilisa
316.
Sakaipilo tsy leon'ny sakaimalaho
jentilisa
317.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
318.
Ankifonofono toy ny varo-katsaka amam-bolony.
jentilisa
319.
tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, na ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra fa ny atao no mahasoa na maharatsy
zanita
320.
ny hena masaka no mahavelona, ny hena-maso no mahafaty
jentilisa
321.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
JMR
322.
Ny kary no manao ny ataony ka ny saka no voatapa-drambo
JMR
323.
Aza manao toy ny zozoro, marotsaka ihany von-dohany
McFy
324.
Aza miandry mana hilatsaka avy any an-danitra
JMR
325.
Mpamosavy milevina amoron-dalana, mahatantesa ny valin-kitsaka
JMR
326.
Lany maina ohatra ny sakafon-doholona
McFy
327.
Tsy misy mangidy noho ny sakay fa rehefa teny ierana dia hanina
mandrindra
328.
Veloma tsy mba adidy, sakafo lany tsy mba andraikitra
mandrindra
329.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy
hery
330.
Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
hery
Voalohany
Mialoha
9
10
11
12
13
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0204