Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
niryna
Hampiditra ohabolana
301.
Izay fatra hamaharanao ihany no hamaharana anao koa.Izay voa afafinao ihany no voa honjinjainao ihany koa
niryna
302.
Tanora mamboly hazo ka hisy hipetra-petraha rahatrizay ka antitra.
niryna
303.
Ny alika aza tsy mahazo fitahina ka maika fa ny olona.
niryna
304.
Ny olombelona tsy main-tsy lena.
niryna
305.
Ny filana vola no mahatonga ny ankabeazan'ny olona hiasa tsara
niryna
306.
Miasa amin'Atra, ny karama tsy dia betsaka fa ny fisotrona ronona rahatrizay dia ny miala amin'ity tany ity.
niryna
307.
Tsy misy afaka hanome toro-hevitra ny mpandaha-teny lava afatsy ny tenany ihany.
niryna
308.
Ny maso mijery tsy mitondra mody.
niryna
309.
Tsara ivelany ohatran'ny tsihy
niryna
310.
Madio ivelany ohatran'ny fasam-bao
niryna
311.
Miriorio ny angidina ka any an-kady no hiafarany
niryna
312.
Tefin'olona tsy mahay ka tsofa no manamarina azy.
niryna
313.
Fatra- mpifidy ny aranany ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
314.
Fatra mpitady ny tsy hita ka manary ny hita maso.
niryna
315.
Mandany zara ny sasany.
niryna
316.
Rangahibe no tratr'andro:Rafotsibe no nanadala azy.
niryna
317.
Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany.
niryna
318.
Mihena an-toerana toa fen'antitra.
niryna
319.
Toy ny fanoto:antitra vao kely anarana.
niryna
320.
Aza manao fatin-dalitra ka maty mitety ratsy, fa manaova fatin- tantely ka maty mamela mamy ho an'ny fokonolona
niryna
321.
Aza manao ahitra teraka alohan-jaza.
niryna
322.
Mitsaha-dava hoatran'ny amalo-maty.
niryna
323.
Vorondolo mitera-boromanga ka tsara indray noho ny rainy
niryna
324.
Mora ny miteny noho ny manantanteraka.
niryna
325.
Samy ho tsarain'Atra amin'ny ataony ny tsirairay
niryna
326.
Ny asa natao an-kira, toa vita toa tsy natao
niryna
327.
Aza mitaraina tana-miepaka fa aleo ny asany no hitsarana azy
niryna
328.
Izay afafy no ho jinjaina.
niryna
329.
Raha miandry ny andraso lava hianao, tsy ahavitana na inona na inona
niryna
330.
Afaka hividianana alika tsara ny vola, saingy ny fahatsorana sy ny fifaliana no mampa-tonga azy hanilikilika ny rambony.
niryna
Voalohany
Mialoha
9
10
11
12
13
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1114