Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
niryna
Hampiditra ohabolana
271.
Ny fahatokisana amin'ny zavatra atao diaefa fantatra ao anaty alohan'ny fahafantarana ny zavatra mitranga
niryna
272.
Ambolo bitaka.ambolo matavy :zavatra tsy hay tsy azo ibitabitahana.
niryna
273.
Ny iray Rasahy, ny iray Ramavany
niryna
274.
Natao sanga ka nanatona, natao tandroka ka nanoto
niryna
275.
Mangahazo mangidy malemy ka hanina amin'ny lemim-panahiny
niryna
276.
Ny anatra tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana andatsa, toy ny fanafody aorian'ny fahafatesana
niryna
277.
Aleo miady toy izay mankany Ankaratra tsy misy olona
niryna
278.
Aza mifonoka amban'ny maimbo
niryna
279.
Aza mitangorina ohatran'ny voangory ritra
niryna
280.
Aza afangaro ny ny lalao sy ny zava-bita
niryna
281.
Ny vanja tsy manda afo, ny afo tsy manda kitay
niryna
282.
Didimaso asiana ody, mahareta fa hihavian'ny soa
niryna
283.
Aza mamono reny toa vary ratsy
niryna
284.
Ny vavy Ranirina, ny lahy Ratsimisitoazy
niryna
285.
Ny ondry voatsipy taolana, ny amboa voatsipy vilona, tao ihany fa nifanolana
niryna
286.
Ny anarana no tsy raikitra, ny ao an-trano no manivaiva
niryna
287.
Aza manao toto vomangan-dRangahy ka ny malemy ihany no velezina
niryna
288.
Miharihary toy ny vay an-kandrina
niryna
289.
MIharihary toy ny kary am-pamoloana
niryna
290.
Ny fifaliana dia lalana andalovana fa tsy fiafarana
niryna
291.
Tokony hitondra elo izay maniry ny orana ho avy
niryna
292.
Rafotsibe maty ondry ka misento homana ny atiny
niryna
293.
Ny fanambadiana dia toy ny jiafotsy, vao tsy arahin-kasokaso, antitra tsy arahin-dromoromo
niryna
294.
Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olona no tsy fola-mandefitra
niryna
295.
Aza mizaha lamba rovitra
niryna
296.
Ny vilany no vaky ny mpandoatra no nimonjomonjo
niryna
297.
Aza tsy sahy andro toa renivitsika
niryna
298.
Manao afon'Analakely ka ambony vao midonaka
niryna
299.
Mitsangana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony
niryna
300.
Sotrobe lava-tango, mahay atsy mahay aroa
niryna
Voalohany
Mialoha
8
9
10
11
12
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0129