Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
niryna
Hampiditra ohabolana
181.
Fantatrao ny maha hianao anao rehefa tsy misy olona manodidina anao
niryna
182.
Any milefona omby hianao, aty mively rano
niryna
183.
Aza manao vono-moka
niryna
184.
Tsy mba ny manta ho tohazana aho fa ny masaka efa mihintsana
niryna
185.
Ny fihavanana hoatra ny landy, maty isika famonosana, velona itafiana ka ny madilana arahi-panondro.
niryna
186.
Fatra-piahy mpamosavy, fatra-pifehy fangalarina
niryna
187.
Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
niryna
188.
Very Ivoara ka tondraka Ivarahana
niryna
189.
Ratsy tarehy andeha lanona ka ny maraina ihany no izy.
niryna
190.
Vorona tokona amoron-drano ka miherikerika irery
niryna
191.
Aza manao voa mivonto an-kibo
niryna
192.
Izay tsy mahafoy kely tsy manana ny tiana
niryna
193.
Aza manao vorona azon'adala ka na tsy maty aza, mifohafoha volo
niryna
194.
Aza manositosika ny tsy manambika
niryna
195.
Ny krismasy izay fahatsiarovana ilay nahaterahan'ny Mpanjakan'ny fandriampahalemana ary manome basy kilalao ho an'ny ankizy
niryna
196.
Ny krismasy dia andro iray izay isarahan'ny reniny amin'ny zanany
niryna
197.
Ny mariazy volamena no zavatra hita mitsongadina ao amin'ny fanambadiana
niryna
198.
Toy ny vato any Ambohimanga, nalevina ila tsy lo, mitanin'andro tsy haraka
niryna
199.
Raha dobo tsy ho sahy siny aho, dia miketraka ho renirano
niryna
200.
Aza mietaketaka toy ny akoho kely vidin-drindra.
niryna
201.
Manambitamby lava, toy manana andevo tokana
niryna
202.
Aza miasa roa toy Tankady.
niryna
203.
Aza manao Tanala mahazo amponga
niryna
204.
Lehibe foana toy ny amiana
niryna
205.
Maro ny ondry any an-tsaha fa ny maranin-tsofina ihany no an'ny andriana
niryna
206.
Kely tratry ny sarotra hoatra ny misao-bady tezitra
niryna
207.
Tsy misy antony ny hidakana ny baolina raha tsy fantatrao ny lalana hizorany
niryna
208.
Izay tsy mahalala ny lalan-kalehany dia tsy maintsy ho very izy rehefa tonga any amin'ny lalan-kafa
niryna
209.
Raha mivily amin'ny lalan-diso hianao, tsy ho ela dia hianjera
niryna
210.
Raha indray mandeha no tsy nahomby, mamerena indray
niryna
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
9
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0161