Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3421.
Ny manantena ny tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
niryna
3422.
Ny alahelo toy ny raki-malala, ka raha tsy ny olon-tiana tsy amorahana azy
niryna
3423.
Maty an-tanana toy ny valala samborim-boka
niryna
3424.
Tsy ny tany no fady fa ny vavan'ny olona
niryna
3425.
Mandiha tany isika, miloloha lanitra, mandinihy rehefa miteny, mijere voa mamindra.
niryna
3426.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo
niryna
3427.
Izay misiditsidina ny eritreriny dia ho potraka noho ny nataony
niryna
3428.
Mamono biby an-davaka ka hifoteran'ny rambony
niryna
3429.
Izay adala no toa an-drainy ary ny zafikely taha-draibe.
niryna
3430.
Zaro amin'ny lalana izay tokony alehany ny zaza ka na lehibe aza izy tsy hiala aminy
niryna
3431.
Ny fifosana no manimba ny mpiara-monina, fadio ny olona be resaka
niryna
3432.
Sokiny nanani-bato ka tapa-dalan-kaleha
niryna
3433.
Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina.
niryna
3434.
Izay tonga taloha no tompon-tanindrazana
niryna
3435.
Solafaka omen-tehina, potraka omen-kiraro
niryna
3436.
Solafa omen-tehina, potraka omen-kiraro
niryna
3437.
Ny tompony mahazaka ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
3438.
Akohokely latsaka an-kady, hiantso kely feo; hanidina tapak'elatra; hitoetra ihany manina ny reniny.
niryna
3439.
Ny kamo fandositra:tsy zovy no ho tratrany fa ny tena ihany.
niryna
3440.
andevo tokana amin'andriana :raha tsy matin'iraka, maty voky.
niryna
3441.
Toy ny mamoaka omby tokana, vao mitehin-doha dia tapitra.
niryna
3442.
Ny ana-dray aman-dreny dia toa ny tsipak'ombalahy, raha mahavoa mahafaty raha tsy mahavoa mahafanina
niryna
3443.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vany
niryna
3444.
Harem-bery foana toy ny menaka ahosim-bazimba
niryna
3445.
Toy ny atodin'akanga, ka avela ahafaty raibe, entina ahafaty renibe
niryna
3446.
Trano takatra ka izay mandrava azy mialoha no boka
niryna
3447.
Izay iray vatsy iray haina.
niryna
3448.
Aza atao tsy tiako bika, tsy tiako tarehy.
niryna
3449.
Raha hendry hianao dia hendry ho an'ny tenanao ihany, raha maditra hianao dia hianao irery no hiharan'izany
niryna
3450.
Aza ny antsanga tsy aman'orana no alahatra
niryna
Voalohany
Mialoha
113
114
115
116
117
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0196