Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3361.
Mateti-pihavy toa sotrokely
niryna
3362.
Ny amboa aza atao hoean'ny malala
niryna
3363.
Zatovo mandry maraina, bongo maso vao hita
niryna
3364.
Miriorio toy ny angidina kanefa any an-kady ihany no ihafarany
niryna
3365.
Aza mijery tany avo avaratra
niryna
3366.
Maty mangina toy ny otrik'afo
niryna
3367.
Marain-tsy lasan-davitra hoatran'ny akoho
niryna
3368.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
niryna
3369.
AZa mindran-tsofina samy akaiky
niryna
3370.
Ny teny mamy mampisaina ny be loha
niryna
3371.
Afaka hitarika ny soavaly hisotro rano hianao fa tsy afaka azy ny hanery hisotro rano
niryna
3372.
Lazao ahy ny namanao ahalalako ny toetranao
niryna
3373.
Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika
niryna
3374.
Ny vy tsy mikorotsana irery
niryna
3375.
Ny vorona iray eo an-tanana tsara lavitra noho ny vorona roa any an-tsaha
niryna
3376.
Izay ela nohetezana hono lava-volo
niryna
3377.
Rehefa inao ve no misioka dia omby iray tanety, farehefa ny olona dia kery iray lohasaha.
ilanto
3378.
Hazo nambolena antampotanety, koa sady manome aloka no manome loharano.
ilanto
3379.
Ataovy fitia lamba sy akanjo, sady itafiana no kolokoloina.
ilanto
3380.
Aza atao fitia vatomamy, tiana ihany fa hanina sy levonina.
ilanto
3381.
Kristianina sandoka: mivoaka alina, mamosavy; mivoaka andro, manao risoriso.
ilanto
3382.
Mahantra te hotafita fianarana, koa ny vaky boky no sisa ianteherana.
ilanto
3383.
Mpianatra kamo mamaky boky, koa mionona amin'ny kely azo tany am-pianarana.
ilanto
3384.
Ny vaky hazo no herin'ny fanorenana, fa ny vaky boky no herin'ny fianarana.
ilanto
3385.
Kilongalahy te handroso fahaizana, tsy maintsy mihafy raha te ho tafita.
ilanto
3386.
Tanora-vavy te hianatra, mizara mifehy tena.
ilanto
3387.
Ny tsa vanahita ro miatehateha, fa ny efa nahita fola-drehareha.
ilanto
3388.
Aza menatra ny finoana; nefa koa aza menatra ny fo noana
ilanto
3389.
Kristianina sandoka, koa mivoka alina mamosavy.
ilanto
3390.
Kristianina marina, fa na ny rano ho sotroiny aza isaorany ny Tompo!
ilanto
Voalohany
Mialoha
111
112
113
114
115
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0324