Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3331.
Izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny
niryna
3332.
Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka
niryna
3333.
Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no heriny
niryna
3334.
Tia ady ka lany harena
niryna
3335.
Tsy mangalatra manana adidy hoatra ny fangala-bola
niryna
3336.
Izy lahy sady mahery, fa izaho vavy sady malemy
niryna
3337.
Ny vava no tsy ato be, ny mamerina azy no tsy laitra
niryna
3338.
Na ny adala aza no tsy miteny dia toa hendry ihany
niryna
3339.
Aza miakatra ho rahona ka mihelin-ko zavona
niryna
3340.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
niryna
3341.
Tsy lany hamamiana toy ny fary
niryna
3342.
Tsia tia, tsy tia, fa tsy manidy trano
niryna
3343.
Ny olombelona tsy fo vato, fa fo emboka
niryna
3344.
Aleo tsy manana toy izay hanan-dratsy
niryna
3345.
Aza mitsipa-doha ny laka nitana
niryna
3346.
Ny fitivana dia tsy mena mivadika toy ny andro ririnina
niryna
3347.
Fa ataovy fitia tantely, tiana ihany fa tsy mba atelina
niryna
3348.
Aza atao fitiavam-bato, raha tapaka tsy azo atohy
niryna
3349.
Ny fisaorana dia sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiaro
niryna
3350.
Ny fisaorana dia sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiahy
niryna
3351.
Tapa-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato
niryna
3352.
Raha zanaka no tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
3353.
Toa faly sahirana toy ny akohokely hitsipazam-potsim-bary
niryna
3354.
Raha zaza tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
3355.
Ny vava atao be ny mamerina azy no tsy laitra
niryna
3356.
Hano aho ihinanako anao
niryna
3357.
Tanora tsy mi-bis tsy mi-bĂ , efa antitra vao mikapilakopĂ (mikopily kopy ah').
ilanto
3358.
Zaza nilaozan-tsakaiza k'a milalao vovoka irery.
ilanto
3359.
Avo fijery Andriamanitra, koa mahita ny miafina indrindra.
ilanto
3360.
Aza mijery tany avo avaratra
niryna
Voalohany
Mialoha
110
111
112
113
114
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0244