Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3391.
Kristianina mpamonjy alahady, fa andavanandro manadino ny Mpahary.
ilanto
3392.
Ataona fa moramora va ny miangona se Renidoara vita Komonia!
ilanto
3393.
Omena tsy tia, koa avy eo vao aiza ny ahy teo!
ilanto
3394.
Mpamboly mahavokatra tsy mahay mitantana, koa mandadilady hila hanina any amin'ny mpanao mangazay.
ilanto
3395.
Miaka-bokatra tsy mahay mitsitsy, varatr'andro vao miasa tsy homan-kanina.
ilanto
3396.
Manao an'i Laborda tsy ho vazaha.
ilanto
3397.
Vazaha matim-basy, matin-draha nataony.
ilanto
3398.
Ambava tsy mila, fa am-po taralila.
ilanto
3399.
Amboalahy miandry embok'akondro, andraza tsy latsaka, avela toa hena.
ilanto
3400.
Mpaka zaza tam-po maniry hanan'anaka, rehefa tena mitady tsy mahazo intsony.
ilanto
3401.
Kristianina alahady, alatsianiny mangalatra akoho.
ilanto
3402.
Radio lany vato, mangina no sisa anjarany.
ilanto
3403.
Fiara lany lasantsy, ka na te handroso aza tsy afaka intsony.
ilanto
3404.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona.
ilanto
3405.
Miatranatrana toa vady vao.
ilanto
3406.
Tao-tranon'Antanànarivo, koa izay mahavita aloha no manenina.
ilanto
3407.
Manao Andriamani-tsy misy koa manambaka ny adala.
ilanto
3408.
Manao Andriamani-tsy misy, koa manambaka ny adala.
ilanto
3409.
Adala nomen-dasiray, herinandro mitsinjaka ihany.
ilanto
3410.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra mahatahotra
ilanto
3411.
Manao talily ren-dragnahary.
ilanto
3412.
Zagnahary agnabo koa mahita ny kilaraha iaby.
ilanto
3413.
Zagnahary magnome, fa gn'olo ro maniasia.
ilanto
3414.
Andriamanitra manome, fa Ibalita no tsy nambinina
ilanto
3415.
Aleo ro-madio tsy arahin-dromoromo toy izay hena matavy arahin'alahelo
niryna
3416.
Ny manantena ny tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
niryna
3417.
Ny alahelo toy ny raki-malala, ka raha tsy ny olon-tiana tsy amorahana azy
niryna
3418.
Maty an-tanana toy ny valala samborim-boka
niryna
3419.
Tsy ny tany no fady fa ny vavan'ny olona
niryna
3420.
Mandiha tany isika, miloloha lanitra, mandinihy rehefa miteny, mijere voa mamindra.
niryna
Voalohany
Mialoha
112
113
114
115
116
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0469