Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
3421.
ody varatry Mompera ka de ny aza voany iany
tovolahy007
3422.
Ka manao iano resy an-dômy, ka malahelon-kany
roscarb
3423.
Ka manao alahelon-tsitsiky ka hiakendry @ ty tsy misy antony!
roscarb
3424.
Vezon'ny manombo, laha moly ka mandroaky aomby miamboho!
roscarb
3425.
Mantsitsiny ahy tsy hangalako FIP
roscarb
3426.
Mizelazela ka te ho hita, manahaky mpamarakin'ny Tsianaloke
roscarb
3427.
Ny hitsitokotokoan'ny lohany, hahasamihafa ny heviny
marozevo
3428.
Ny hena masaka mahavelona, fa ny henamaso mahafaty
marozevo
3429.
Ny tehina entin-dray aman-dreny, ny teny entin-joky, fa ny entana entin-jandry
marozevo
3430.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
3431.
Ny fihavanana toa jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, ary tonta tsy ialan-dromoromo.
marozevo
3432.
Raha mpifankatia tsy miresaka, hono, very ny androan-tokom-pitiavana.
marozevo
3433.
Fiherena tsy mampipoly fa ndre mbeo, an-driaky any iaby!
roscarb
3434.
Voto dangitry maraindray, tsy te hilele fa fahazara: te-hamany!
roscarb
3435.
Maro ty hazo an'ala any fa fosiky io avao ro mamy
roscarb
3436.
Na ilaina aza ny sangy, ny tain'amboa tsy hifampitorahana
marozevo
3437.
Lany matsatso toy ny siran-dRamahihitra
marozevo
3438.
Ny marina tsy mba maty ka na mihafina aza hita ihany
arina
3439.
Hano ny hanina mba tsy ho fanina
MR
3440.
ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
nanette
3441.
Na maro aza ny antsy toto-kena tsy azo tetehina
dadou
3442.
faly sahirana toy ny lehilahy mampirafy ka mihinana roa vao jejo maso
dadou
3443.
Ny teny tsara mahamora harena
hery
3444.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
hery
3445.
Ny teny toy ny ketsa : lava mamato-tena, fohy afatotry ny olona.
mbelo
3446.
akoho kely lasam-papango tonga ambony vao tra-pahoriana
dadou
3447.
sasa - poana ohatry ny voalavo manaiki - by
dadou
3448.
horakoraka ny an'i Sahona fa ny tsiboboka no tompon-drano
Malalason
3449.
ny atody tsy miady amin'ny vato
Malalason
3450.
Ny lemilemin-dradity no nahafaty an-drafody
Malalason
Voalohany
Mialoha
113
114
115
116
117
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0254