Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Manao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Manao
Hampiditra ohabolana
331.
Aza manao be filaza ka manao kely fitondra mody
McFy
332.
Manao ny tompony toy ny mpihambo
McFy
333.
Aza manao sesi-montotra
McFy
334.
Aza manao toy ny zozoro, marotsaka ihany von-dohany
McFy
335.
Aza manao akoho vavy maneno
McFy
336.
Aza manao ariary zato am-pandriana
JMR
337.
Aza manao tanin'andron'adevolahy, ka ny kibo no atolotra andro
McFy
338.
Aza manao kely tsy mba mamindro
JMR
339.
Aza manao mizana tsindriana ila
JMR
340.
Mpiasa be vonton'anatra manao mbay lalana an-tsena
JMR
341.
Banga mihinana voanjobory, any an-kibo vao manao kanety
JMR
342.
Aza manao volo ngita mifandray tendro
mandrindra
343.
Aza manao tehina mialoha andriana na mitsako alohan'ny vazana
jentilisa
344.
Aza manao sangy mihoatra ny loha, vosotra zary tenany
hery
345.
Aza manao kobaka am-bava sy volana an-tenda, hatreo no ho miakatra ihany
hery
346.
Mena-maso an-daoka, ka manao fatra-maina
hery
347.
Aza manao fitia mifono avona
hery
348.
Aza manao vahaza mody miady
hery
349.
Aza manao senegaly mahazo baiko
hery
350.
Aza manao fo milafin-karena
hery
351.
Aza manao kamo be tenda
hery
352.
Aza manao kofehy manara-fanjaitra
hery
353.
Aza manao sioka mampandry adrisa
jentilisa
354.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanĂ na tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
355.
Aza manao ranomaso teren'ny setroka
Vetso
356.
Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty
Vetso
357.
Aza manao hevi-dravina
Vetso
358.
Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda ka hatreo no ho miakatra ihany
hery
359.
Aza manao horirik'Ambohipeno : aleo ho lo toy izay ho an-kavana
hery
360.
Aza manao soro-baton'ilay jamba efa voa vao mihilana
JMR
Voalohany
Mialoha
10
11
12
13
14
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 2.7385