Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Manao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Manao
Hampiditra ohabolana
331.
Aza manao ariary zato am-pandriana
JMR
332.
Aza manao tanin'andron'adevolahy, ka ny kibo no atolotra andro
McFy
333.
Aza manao kely tsy mba mamindro
JMR
334.
Aza manao mizana tsindriana ila
JMR
335.
Mpiasa be vonton'anatra manao mbay lalana an-tsena
JMR
336.
Banga mihinana voanjobory, any an-kibo vao manao kanety
JMR
337.
Aza manao volo ngita mifandray tendro
mandrindra
338.
Aza manao tehina mialoha andriana na mitsako alohan'ny vazana
jentilisa
339.
Aza manao sangy mihoatra ny loha, vosotra zary tenany
hery
340.
Aza manao kobaka am-bava sy volana an-tenda, hatreo no ho miakatra ihany
hery
341.
Mena-maso an-daoka, ka manao fatra-maina
hery
342.
Aza manao fitia mifono avona
hery
343.
Aza manao vahaza mody miady
hery
344.
Aza manao senegaly mahazo baiko
hery
345.
Aza manao fo milafin-karena
hery
346.
Aza manao kamo be tenda
hery
347.
Aza manao kofehy manara-fanjaitra
hery
348.
Aza manao sioka mampandry adrisa
jentilisa
349.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanĂ na tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
350.
Aza manao ranomaso teren'ny setroka
Vetso
351.
Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty
Vetso
352.
Aza manao hevi-dravina
Vetso
353.
Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda ka hatreo no ho miakatra ihany
hery
354.
Aza manao horirik'Ambohipeno : aleo ho lo toy izay ho an-kavana
hery
355.
Aza manao soro-baton'ilay jamba efa voa vao mihilana
JMR
356.
Aza manao zanak'ikalahafa
jentilisa
357.
Aza manao toy ny masoandro any atsinanana, ny avo ihany no itaingenana fa manaova toy ny masoandro any andrefana, izay mivoha varavarana tsidihina avokoa.
jentilisa
358.
ny ankizy no manao ny tsy mety ka ny ray aman-dreny no afa-baraka
jentilisa
359.
aza manao toy ny betsileo ka tsy ny toaka no mahery fa ny ekilibra ro very
ramuscle
360.
manao toy ny kaboné ka hamanizana vao velon'kira
ramuscle
Voalohany
Mialoha
10
11
12
13
14
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0199