Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Manao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Manao
Hampiditra ohabolana
271.
aza manao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy
ramilo
272.
Manao faty besakoa laha maty mianky
kalamimi
273.
Manaova toy ny Tantely, maty namela mamy
tovolahy007
274.
Ka manao iano resy an-dômy, ka malahelon-kany
roscarb
275.
Ka manao alahelon-tsitsiky ka hiakendry @ ty tsy misy antony!
roscarb
276.
Manao tsy tea ka latsak'anaky
roscarb
277.
Manao finamàn'alika ka taola ro ialia
roscarb
278.
Aza manao fitiavana toy ny an'ny havana fa hena-maso no be diabe
Maheriloha
279.
Manao tsindrio fa lavo.
ariel
280.
Aza manao toa an-drafotsibe nihinan-kitoza, tsiro no nantenain-ko azo, nefa ny hivy no niraraka
rakekely
281.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay manao antsirambina no vaky loha.
ranjalia
282.
Aza manao hata-dava ohatran' ny saka
zouzou
283.
Antitra manao baolina : ny traikefa avo dia avo fa ny hoza-pe no tsy maharaka intsony.
Valia
284.
Aza manao bekibo mahihitra.
jefra
285.
Aza manao kobaka am-bava, volagna atenda, ka hatreo no miakatra ihany.
jefra
286.
manan-karena salasala, ka manao kitamby rongony
zouzou
287.
Aza manao toy ny boka manjono : mifamitaka samy malama
zouzou
288.
Feom-boron'ala, samy manao izay hainy
ftma
289.
Manao vain-drahalahy tsy mba maharary.
hery
290.
Mahatoky ody voalavo angaha ianao no manao hena anjorondamba?
mandrindra
291.
Manao fahanteran'alika antitra vao misarigaigy.
fily
292.
Aza manao rano dikain'ny zinga
doum
293.
Tonga tsy miarahaba naman'ny tezitra lasa tsy manao veloma naman'ny sosotra
doum
294.
Aza manao fialan'ny jiosy
doum
295.
Bingo manao matso ka misalovana ny anjaran'ny hafa
doum
296.
Aza manao tahaka an'Ikopa, tonga namana vao mavomavo
doum
297.
Tsy ny namanao no hifaninanao fa ny tsara vitanao anio
doum
298.
Aza manao lala-kita kisoa
doum
299.
Zatra ny lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
doum
300.
Aza manao toy ny rano tsy manatsaina afatsy ny hidina
doum
Voalohany
Mialoha
8
9
10
11
12
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0342