Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe amin
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
amin
Hampiditra ohabolana
331.
Ratsaramiangola no lena fividy kitay ka Rabozimanga no didi-maso amin'ny setroka.
jentilisa
332.
Mireheka amin'ny be tsy anananana tahaka ny vadikelin'Antananarivo
jentilisa
333.
ny kely no manaiky manaiky amin-tahotra; ny lehibe no manaiky manaiky amin-kenatra
jentilisa
334.
aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany
jentilisa
335.
Ady amin'ny adala ka ny hendry no miala
McFy
336.
(Aza manao) kely tsy mba mamindro
jentilisa
337.
Sahirana amin'ny zavatra tsy an-tena toy ny akoho nitarika zana-gana!
jajaf401
338.
Soa lavo hahay hamindra soa kenda hahay hitsako
vale
339.
Be resaka sahala amin'ny any Ambositra
jajaf401
340.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
341.
Miditra amin'ny kiloadoaka dia mivoaka amin'ny makarakara
tomgas
342.
Soa kenda hahay mitsako; soa lavo hahay mamindra.
lanto
343.
Ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona
hery
344.
Akoho mikotrika atodim-borona, ka miongo-bolo amin'ny tsy ho an'ny tena
hery
345.
Toy ny osivavy somorina : ny lova tamin-dray tsy avela, ary ny hetra tamin-dreny tsy diso.
hery
346.
Toy ny mitari-drano ririnina : miala amin'izay nitoerany, fa tsy tonga amin'izay alehany
hery
Voalohany
Mialoha
10
11
12
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0853