Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe amin
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
amin
Hampiditra ohabolana
301.
Tsaramaso mitsipika anjoro tsy aiza fa miverina amin'ny toerany
doum
302.
Afo lavitra tsy azo hamindrona
doum
303.
manalasala toy ny volom-bava: atao hoe volom-bava tsy eo amin'ny vava, atao hoe volo-tsaoka tsy fiteny
Lalakely
304.
mangahazo malemy; mangidy atelina ka ho hanina amin'ny halemem-panahy.
RfandresenaA
305.
Mandamina ny an'olona nefa feno tseroka sy mirongo fakofako tahaka ny fihogo sy fandraotra ibangoana.
jentilisa
306.
lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy.
jentilisa
307.
Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valam-parihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.
jentilisa
308.
Fanalolahy za-dririnina ka tsy miraika amin'izay tora-bato.
jentilisa
309.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
310.
Fitia fozakely ka lany hatramin'ny tongony
JMR
311.
Izay azo avy amin'ny makarakara dia hivoaka amin'ny kiloadoaka
JMR
312.
Aza miady amin'ny adala
JMR
313.
Izay miaraka amin'ny amboalambo dia amboalambo
JMR
314.
Banga manoaka, hita mbamin'ny havokavony
JMR
315.
Aza manao kely tsy mba mamindro
JMR
316.
Ny torimaso no itovizana amin'ny mpanankarena
JMR
317.
Ny alika no miverina amin'ny naloany
JMR
318.
Mifankatia amin'ny amalona : ka nony sendra tia, nabolilany
hery
319.
Toy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tian-ko lalina indrindra
hery
320.
Hendry miady amin'ny adala, ka havizanana no hita
hery
321.
Ady amin'ny adala, ka ny hendry no miala
LouAnne
322.
mifankatia amin'amalona; nony sendra tia nabolilany
jentilisa
323.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka soron'afo no hita
hery
324.
Aza mila lolotr'amalona amin-kavana
hery
325.
Aleo mifanena amin'ny mpamosavy toy izay mifanena amin'ny mpandainga
JMR
326.
Banga mihomehy, hita hatramin'ny havokavony
JMR
327.
Ratsaramiangola no lena fividy kitay ka Rabozimanga no didi-maso amin'ny setroka.
jentilisa
328.
Mireheka amin'ny be tsy anananana tahaka ny vadikelin'Antananarivo
jentilisa
329.
ny kely no manaiky manaiky amin-tahotra; ny lehibe no manaiky manaiky amin-kenatra
jentilisa
330.
aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany
jentilisa
Voalohany
Mialoha
9
10
11
12
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0541