Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant rano
Liste des proverbes, contenant
rano
Insérer un proverbe
391.
Ny zaza toy ny rano am-pasika, izay amiliana azy no andehanany
JMR
392.
Rehefa mety ny atao ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa. Rehefa tsy hety ny atao, ny tain'akoha aza mahasolafaka
JMR
393.
Ny takatr no nahavita trano ka ny voron-dolo no mibohy
McFy
394.
Ny anarana no tsy raikitra, ny an-trano no manivaiva
McFy
395.
Aza miloloha rano roa siny
JMR
396.
Tsobo-dranon-dRamiangaly
JMR
397.
Lainga sy fitaka tahaka ny ranomasom-boay
jentilisa
398.
Mitsaha-ketrika toy ny sosoa voatapo-drano
jentilisa
399.
Rafotsibe mita rano ka izay mahasoa ataon'Andriamanitra
hery
400.
Toy ny trano vaky vovonana, ka mitondra teny mivoaka
hery
401.
Aza mandrao-bary ao an-trano hafa
hery
402.
Aza miovoka ambony toy ny ranovolan’i Tsiodiana
hery
403.
Tsara raha mangetaheta ka mahita rano
hery
404.
ny fihavanana dia rano be mamono afo
ftma
405.
Ranotrambo: be fiavy fa mora lany
jentilisa
406.
Sira latsaka an-drano ka tsy himpody intsony!
jentilisa
407.
Rano atsakaina mody ventiny
jentilisa
408.
toy ny tsindranolahy an-keniheny, ka ny tamana miray ihany no miray.
jentilisa
409.
tsy tia tsy tia nefa tsy manidy trano
jentilisa
410.
Ataovy fitian-dranon'erika: madini-pihavy fa mahatondra-drano
jentilisa
411.
Lasa mpifosa vao mifafa trano
jentilisa
412.
Manantena tsy maty toa an-dradranobe mifehy lavenona,
McFy
413.
Aza manao ranomaso teren'ny setroka
Vetso
414.
Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty
Vetso
415.
Toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka
hery
416.
Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-teny, vava no manala ; raha revon'alahelo, ny havana itarainana
hery
417.
Raha mahita ny asa vadi-drano, alao aho ray maro, fa raha tonga ny amalom-boa sira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty aho
hery
418.
Trano atsimosy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
JMR
419.
Raha mety ny atao, sahobakaka aza mampidi-dranon-ketsa
hery
420.
Sotroranon'alika, tsy hetaheta fa hasoparana
Avahi
First
Previous
12
13
14
15
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0184