Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rano
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rano
Hampiditra ohabolana
361.
Sotro ranon'akoho izay kely azo no andrandraina.
hery
362.
Sotro ranon' alika farany vao misy ventiny.
hery
363.
vary efa eny andoharano tsy vitan'ny efa mijoro tsara nefa miondrika indray maka saina.
estine
364.
Adala mandoro trano, ara-dalàna ny firehetany
Mandefitra
365.
Aza manao rano dikain'ny zinga
doum
366.
mahita ny akanga tsara soratra dia manary ny akoho tama-trano
doum
367.
Tao-trano tsy efan'ny irery
doum
368.
Rano raraka tsy azo raofina intsony
doum
369.
Velona iray trano maty iray fasana
doum
370.
Herikerika mahatondra-drano
doum
371.
Aza manao toy ny rano tsy manatsaina afatsy ny hidina
doum
372.
Ny tokantrano tsy ahahaka
doum
373.
Zaza fito tsy mahafehy trano
doum
374.
Mpamosavy malemy lohalika ka ny ao antrano ihany no asina
doum
375.
manambady ny lava mitahiry tohatra an-trano, manambady ny fohy mitahiry tapak'aponga
Lalakely
376.
Ny erikerika mahatondra-drano
JMR
377.
Tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha.
jentilisa
378.
Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valam-parihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.
jentilisa
379.
Veliranon'amboa izay maty aloha hohanina
jentilisa
380.
Tokam-po tahaka ny siny: tsy manampo afa-tsy rano.
jentilisa
381.
Santatra ambavarano, ny manetsabe mbola ho avy.
jentilisa
382.
rano am-pasika, tazani-tsy misy, tovozina ao ihany.
jentilisa
383.
rano tamim-bato, be ampizahana fa tsy azo andraofana
jentilisa
384.
fitia savony, tiana fa avalana rano.
jentilisa
385.
Horakoraka ny an'ny sahona fa tsiboiboika no tompon'ny rano
JMR
386.
Tsobo-dranon-dRamiangaly, raha marivo irobohana, raha lalina ihemorana.
jentilisa
387.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
388.
Mpamosavy malemy ka ny an-trano ihany no asiana
JMR
389.
Mpivaro-drano tratr'orana
JMR
390.
Rafotsibe nita rano izay mahasoa ataon'Andriamanitra
zanita
Voalohany
Mialoha
11
12
13
14
15
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0413