Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rano
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rano
Hampiditra ohabolana
361.
raha vazo mitovy ihany re nahoana no dia hiampita rano?
pandrybe
362.
ny vola tsy mandry lalana toy ny rano : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
363.
Salaka sy ravim-pitombenana: an-tsaha tsy mifandao, an-trano tsy mifanary
rlj
364.
Sotro ranon'akoho izay kely azo no andrandraina.
hery
365.
Sotro ranon' alika farany vao misy ventiny.
hery
366.
vary efa eny andoharano tsy vitan'ny efa mijoro tsara nefa miondrika indray maka saina.
estine
367.
Adala mandoro trano, ara-dalàna ny firehetany
Mandefitra
368.
Aza manao rano dikain'ny zinga
doum
369.
mahita ny akanga tsara soratra dia manary ny akoho tama-trano
doum
370.
Tao-trano tsy efan'ny irery
doum
371.
Rano raraka tsy azo raofina intsony
doum
372.
Velona iray trano maty iray fasana
doum
373.
Herikerika mahatondra-drano
doum
374.
Aza manao toy ny rano tsy manatsaina afatsy ny hidina
doum
375.
Ny tokantrano tsy ahahaka
doum
376.
Zaza fito tsy mahafehy trano
doum
377.
Mpamosavy malemy lohalika ka ny ao antrano ihany no asina
doum
378.
manambady ny lava mitahiry tohatra an-trano, manambady ny fohy mitahiry tapak'aponga
Lalakely
379.
Ny erikerika mahatondra-drano
JMR
380.
Tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha.
jentilisa
381.
Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valam-parihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.
jentilisa
382.
Veliranon'amboa izay maty aloha hohanina
jentilisa
383.
Tokam-po tahaka ny siny: tsy manampo afa-tsy rano.
jentilisa
384.
Santatra ambavarano, ny manetsabe mbola ho avy.
jentilisa
385.
rano am-pasika, tazani-tsy misy, tovozina ao ihany.
jentilisa
386.
rano tamim-bato, be ampizahana fa tsy azo andraofana
jentilisa
387.
fitia savony, tiana fa avalana rano.
jentilisa
388.
Horakoraka ny an'ny sahona fa tsiboiboika no tompon'ny rano
JMR
389.
Tsobo-dranon-dRamiangaly, raha marivo irobohana, raha lalina ihemorana.
jentilisa
390.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
Voalohany
Mialoha
11
12
13
14
15
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0578