Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rano
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rano
Hampiditra ohabolana
1.
Ny hazo no be doladola, ny rivotra no tia tositosy. Ny ranomasina no mafy fanonja, ny volana no fenomanana
Azrael666
2.
Enga anie ny devoly izay mitady handrebireby anareo, ho tahaka ny bararata amoron-drano, ka hangovitra mandram-pahafatiny
Azrael666
3.
Mikoba-drano marivo, ka mahavery fanahy ny tsikovoka
hery
4.
Sakaviro tamotamo, na metisy na madamo tsy anariako valy an-trano
FatikyRaketa
5.
Mpivaro-drano tratr'orana sady vizaka no maty antoka.
aivetinakely
6.
Ny marina toy ny rano tsy mety kapaina
Redd
7.
Ny takatra no nahavita trano ka ny vorondolo no mibohy
hery
8.
kanakana manotrona atodim-boay, tsy miantoka ny hahafoy fa tahotra ny rano iarahana mandro
Jocelyn Bellarmain
9.
Tranoben'Antananarivo ka izay mahavita aloha no manenina.
lraharimalala27
10.
Rafotsibe mitarano,izay mahasoa ataon'Andriamanitra
Jj.be
11.
Tsakaranon'i Arivo ka aleo hilamina dia misesy
Jj.be
12.
Vazo mitovy ihany va dia hita rano
kabarsTipaka
13.
Zanak'ondry mifatotra amoro-ketsa, fararanon'ny maso fa tsy fararanon'ny kibo.
Jj190263
14.
hala mamelatra trano am-baravarana: tsy mibahana ahy androso fa mamandrika sakafony
ramandasonfelix
15.
velona iray trano,maty iray fasana
cyberzoom502
16.
"nahita akanga tsara soraka; ka nanary ny akoho tama an-trano"
ramiandrisoa_jean_marc2018
17.
tsy amoron'ny alika ny matory ambanin'ny trano; fa tsy fahavitany trano
ramiandrisoa_jean_marc2018
18.
Bararata amorondrano , mangovitra mandrapaha-faty
tomboka
19.
Ranomaso tsy mahatana aina
tahiana.dafy2015
20.
"Ny olombelona toy ny fandrin-drano,tsy misy avo sy iva"
ricardomaminiaina628
21.
Dedaka tonga rafozana ka trano bongo no asiana fandri-baratra
Bouba_lova
22.
Ny fanambadiana tsy ferin'alika ka ho vitan-delaka, ary tsy tranon-kala ka ho vitan'ny vody
lehsabotsy
23.
toy ny rano ampasika ny zaza,ka mora ahitsy.
heriy
24.
tafita vao rendrika toa ny boka miapita rano
nrs
25.
ny saka sy ny alika miady ka miady hatramin'ny adala , mpvady miady ko ny zaza ao an trano no darohana
2016
26.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
27.
Rava tokantrano rava harena.
aivetinakely
28.
Tsa misy rano tsa te ho agn'andreagna fa ny lahatsa ro iaviana agn'andolagna
OZ16
29.
Ny erikerika ro mahatondra-drano
OZ16
30.
Ranobe tsy tetezin-doha
OZ16
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.108