Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rano
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rano
Hampiditra ohabolana
91.
Andevo tokana an-trano, raha tsy maty voky, maty iraka!
mianjy
92.
Aza manao mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no haripaka
ravomahandry
93.
mitsintsin ' orona otrin ' ny alika mita rano
kiriah
94.
Matety mpihavy toy ny akohokely misotro rano
niryna
95.
Ny fo ranomafana, ny tendrom-po tsy mba namana
niryna
96.
Mitari-drano an-kilahila, ny mitobaka no be noho ny mizotra
niryna
97.
Mipelipeli-drambo toa alika tonga tompo-trano
josla
98.
orakoraka ny any saogna fa tsibobohika no tompony rano
andrebab
99.
Vilany borin'Amboatany;ariana tsy foy,avela manebaka ny trano
niryna
100.
Toy ny rano eny am-body vondrona ka tsy ilaozan'ny soa sy ny manan-jara.
soanja
101.
Tsy ny donak'afo no mampafana ny trano fa ny mpianakavy mifanara-tsaina
RAHARYTIANA
102.
Akora latsaka an-drano: madigny Zanahary hamelona. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
103.
Ny trebitrebiky gny rano ka regniko, fa gny aomby nihanagn'alina tsy hitako. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
104.
Sakafo AnKeragna: lany omban-drano. (Ohabolana BESTIMISARAKA)
soanja
105.
Soa ny rano, soa ny siny fa ny fitiavako androky ro tsa mba misy tsiny.
soanja
106.
Andriamanitra dia nanatsoboka ny olona ao anaty rano mba hidio fa tsy ho maty an-drano
niryna
107.
Ny fanompoana aza atao andran-drano: ka raha marivo hotsobohina, ary raha lalin-kihemorana.
soanja
108.
Vilany borin'Amboatany: ariana tsy foy, avela manebaka ny trano.
soanja
109.
Rano tsy fisotro, tsy anasam-bava. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
110.
Manehin-drano: arakaraka an-tagnana; manehim-pagnahy: fagnahy zahana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
111.
Finoman-drano an-tagnana: tsy efan'ny indraika. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
112.
Sady tsy ho an-dakan-tsy ho an-jahitra, tsy handry tsy agnila-rano. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
113.
Rahe hety ny atao, hazondrano tonga andevo.
soanja
114.
Zaza tokana na-trano ka raha tsy maty voky maty iraka
kiriah
115.
Rano natondraka eny an-damosin'ny gana.
soanja
116.
Mandihiza rahitsikitsika hianaranay amin'ny fararano.
soanja
117.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany aniriana.
soanja
118.
Ranom-potaka aza manonja ka mainka fa ranomasina.
soanja
119.
Loharano niteraka ny ony.
soanja
120.
Tsindranolahy an-keniheny ka ny tama-miray ihany no miaraka.
soanja
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0182