Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant rano
Liste des proverbes, contenant
rano
Insérer un proverbe
91.
Matety mpihavy toy ny akohokely misotro rano
niryna
92.
Ny fo ranomafana, ny tendrom-po tsy mba namana
niryna
93.
Mitari-drano an-kilahila, ny mitobaka no be noho ny mizotra
niryna
94.
Mipelipeli-drambo toa alika tonga tompo-trano
josla
95.
orakoraka ny any saogna fa tsibobohika no tompony rano
andrebab
96.
Vilany borin'Amboatany;ariana tsy foy,avela manebaka ny trano
niryna
97.
Toy ny rano eny am-body vondrona ka tsy ilaozan'ny soa sy ny manan-jara.
soanja
98.
Tsy ny donak'afo no mampafana ny trano fa ny mpianakavy mifanara-tsaina
RAHARYTIANA
99.
Akora latsaka an-drano: madigny Zanahary hamelona. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
100.
Ny trebitrebiky gny rano ka regniko, fa gny aomby nihanagn'alina tsy hitako. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
101.
Sakafo AnKeragna: lany omban-drano. (Ohabolana BESTIMISARAKA)
soanja
102.
Soa ny rano, soa ny siny fa ny fitiavako androky ro tsa mba misy tsiny.
soanja
103.
Andriamanitra dia nanatsoboka ny olona ao anaty rano mba hidio fa tsy ho maty an-drano
niryna
104.
Ny fanompoana aza atao andran-drano: ka raha marivo hotsobohina, ary raha lalin-kihemorana.
soanja
105.
Vilany borin'Amboatany: ariana tsy foy, avela manebaka ny trano.
soanja
106.
Rano tsy fisotro, tsy anasam-bava. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
107.
Manehin-drano: arakaraka an-tagnana; manehim-pagnahy: fagnahy zahana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
108.
Finoman-drano an-tagnana: tsy efan'ny indraika. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
109.
Sady tsy ho an-dakan-tsy ho an-jahitra, tsy handry tsy agnila-rano. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
110.
Rahe hety ny atao, hazondrano tonga andevo.
soanja
111.
Zaza tokana na-trano ka raha tsy maty voky maty iraka
kiriah
112.
Rano natondraka eny an-damosin'ny gana.
soanja
113.
Mandihiza rahitsikitsika hianaranay amin'ny fararano.
soanja
114.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany aniriana.
soanja
115.
Ranom-potaka aza manonja ka mainka fa ranomasina.
soanja
116.
Loharano niteraka ny ony.
soanja
117.
Tsindranolahy an-keniheny ka ny tama-miray ihany no miaraka.
soanja
118.
Alika mitsaba-doharano ka tsy hetaheta fa hasomparana.
soanja
119.
Roborobo no an'ny vahiny, fa ny tompon-trano no mandraoka ny lavenona.
soanja
120.
Ranomaso teren'ny setroka.
soanja
First
Previous
2
3
4
5
6
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.7005