Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rano
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rano
Hampiditra ohabolana
121.
Alika mitsaba-doharano ka tsy hetaheta fa hasomparana.
soanja
122.
Roborobo no an'ny vahiny, fa ny tompon-trano no mandraoka ny lavenona.
soanja
123.
Ranomaso teren'ny setroka.
soanja
124.
Andro ahamaizan'ny trano manao afo am-bilany kely , fa andavanandro, manao roborobo.
soanja
125.
Trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
soanja
126.
Fara fihetsika ny hidin-trano.
soanja
127.
Ny vitsika manana ny lavany, ny vorona manana ny akaniny ary ny olona manana ny tranony.
soanja
128.
Tari-drano ririnina ka miainga amin'ny toerany fa tsy tonga amin'izay hilana azy.
soanja
129.
Taky trsa fararano, fa raha tsy vola dia vary.
soanja
130.
Mamono volana an-trano.
soanja
131.
Sokina mita rano, ka tsy mahabe vava ny mamba.
soanja
132.
Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina.
soanja
133.
Hala manao trano, ka ny tsinay no fetra.
soanja
134.
Fandiorano, ka hisitritsitrika dia izy ihany, hisehoseho dia izy ihany.
soanja
135.
Adin-tsikidindrano ka misaraka tsy misy maratra.
soanja
136.
Tsikovo-dririnina, ka lalina fisaina, fa ho ritra ny rano.
soanja
137.
Hano, kaikero! tsakotsakoy, raha resin'io ialahy tetitetehiko, avalako rano, omeko ny amboa, fa raha mahery rahavako voahangy, ividianako lamba, babeko maraina, tantanako hariva! Ndrofy lahy e! - Ireto teny fampiadiana angely fahizay.
soanja
138.
Hazondrano natao satroka, ka ahohoka, feno, atsilany, feno.
soanja
139.
Vatolampy nanasan-dandy, ka ny lavenona lasan'ny rano, ny landy lasan'ny tompony.
soanja
140.
Tranon-dandy ka anatiny vao manatevina.
soanja
141.
Izay vahiny tonga miantrano ao aminao dia hevero toy ny noana sy reraka ary mangatsiaka ka karakarao mifandraika amin'izany izy na izy ireo.
soanja
142.
rastà mibango volo, ranomaso no isarahana
tsiafa
143.
Sotroranon'akoho, ka izay kely azo no andraindraina
walte
144.
sotro ranon'ny mahantra tsy ala hetaheta fa fanampi-tsakafo
bemena
145.
Ranon 'Ikopa ka tonga namana vao mavomavo
ANJARA7
146.
Ny voay sandra hamogno, moa gny rano koa laligna.Agnay tsa mahay milomagno!
sylvoalias
147.
Fom-behivavy tsy hay fitahina, na tsy mamaly izy ny vaingan-dranomasony iray vidin-dafo.
aivetinakely
148.
Tsy mahataitra tahaka ny ranomason-jorery, izay miraraka de very.
aivetinakely
149.
Rano an-tambo, tsara anarana fe milaza loza.
aivetinakely
150.
Ny fihavanana dia toy ny trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
niryna
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018