Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rano
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rano
Hampiditra ohabolana
211.
Aleo fody kely ampelantanana toy izay voromailala ambony tafo-trano(ohabolana Slovakia).
sylvoalias
212.
Aza manao mpamosavy malemy ka ny ao antrano ihany no veleziny!
sylvoalias
213.
Mateti-pihavy toa akoho misotro rano
niryna
214.
Aza mandeha tsy voizina toy ny lakana mivalan-drano
niryna
215.
Ny rano raraka tsy azo raofina
niryna
216.
Raha mety ny atao, ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa, raha tsy mety ny atao, ny tain'omby mivadika aza mampianjera
niryna
217.
Ny trano nahavokisana tsy hipetrahana ela
niryna
218.
Zanaka tokana an-trano ka raha tsy maty voky, maty noana
niryna
219.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano
niryna
220.
Ny sasany miteny hoe feno an-tsasany ny vera misy rano, ny sasany miteny hoe tsy am-py an-tsasany ny rano
niryna
221.
Ny trano izay miady lava dia tsy hitsangana mihitsy.
niryna
222.
Ny tokan-trano tsy ahahaka
niryna
223.
Mitafa amin'ny mpanan-karena ka mita-kitay atao hiditrano
niryna
224.
Tsy tokony hametraka vatokely eo an-tokontany ireo mipetraka ao an-tranom-pitaratra
niryna
225.
Mandihizy rahitsikitsika hianaranay raha fararano
niryna
226.
Izao isika izao dia tsy misara-mianakavy, velona iray trano, maty iray fasana
niryna
227.
Tonga namana vao mavomavo toy ny ranonan'ony.
niryna
228.
Asa vadi-drano tsy vita tsy ifakonana.
niryna
229.
Ny ranomaso no zavatra sarotra atelina indrindra
niryna
230.
Raha misy ny setroka, misy ny hay trano.Tsy tonga ny ady raha tsy tonga ny mpitati-bolana
niryna
231.
Ny sombi-mofo misy fiadanana no tsara noho ny trano feno hena misy fifandirana
niryna
232.
Ny ranomaso no mety ritra fa ny fo mitempo fitia tsy mety tapitra
niryna
233.
Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry
niryna
234.
Tsia tia, tsy tia, fa tsy manidy trano
niryna
235.
Afaka hitarika ny soavaly hisotro rano hianao fa tsy afaka azy ny hanery hisotro rano
niryna
236.
Hazo nambolena antampotanety, koa sady manome aloka no manome loharano.
ilanto
237.
Kristianina marina, fa na ny rano ho sotroiny aza isaorany ny Tompo!
ilanto
238.
Tao-tranon'Antanànarivo, koa izay mahavita aloha no manenina.
ilanto
239.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo
niryna
240.
Trano takatra ka izay mandrava azy mialoha no boka
niryna
Voalohany
Mialoha
6
7
8
9
10
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0375