Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4441.
Zara variky torondrehy, mavo loha tsindria mavoloha
SENATERA
4442.
Hafa gny ilavoany gny jà, izy gny maty midà
SENATERA
4443.
Hafa gny miteza gny variky, ko tegna gn'amokonany an-tratra
SENATERA
4444.
Vorom-be toboky ambony hazo, mandigny raha ho hany vo mitalaky gn'olo hitoraka anazy
SENATERA
4445.
manaotao foana toy ny jamba nanao lavaka
ndixa
4446.
manalasala toy ny marary mahalany hanina
nalaina
4447.
any de tsy hita ohatry ny saobakaka nanjono voay
nalaina
4448.
Reniakoho nopahon-tsintsina, tsy tezitra fa gaga
nalaina
4449.
tongo-bitsika natao lasopy, andrakandrana no betsaka
nalaina
4450.
Raha volombava tsy hanendrika, ahetreo ho volotratra
Rainivao
4451.
ny fitiavana maloto toy ny lomotra ambony vato ka raha diavina mandavo
ndixa
4452.
Anjeva no matavy omby ka ambohimalaza no lafo kitay
rakotomahenina76
4453.
Zanak'omby mihosy tanimbary, tsy hery fa adidy
rakotomahenina76
4454.
Manira-tena toy ny alika ho any an-tsena
mikavao
4455.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolankolana.
mikavao
4456.
Jiolahy nangalatra hono, ka ny sisa tsy maty mlanja ny hena....
tafita
4457.
AZA MALAHELO DISO LEVENANA FA MBOLA HO MARO NY MARARY
Paska
4458.
I zoky ve no manitra voninkazo sa i zandry no manitra ravinkazo no manitra andriana izany trano? Tsy i zoky no manitra ravinkazo na i zandry no manitra ravinkazo fa ny fitiava-namana no betsaka ka manitra andriana izany trano!
bozycate
4459.
mpamosavy vao mina_bao ka mivoaka @ androdiavolana
dadou
4460.
matikambo toy ny saka ny tay totofana nefa ny vody tsy firana
nalaina
4461.
Tsy ampahafirin'izay bevohoka ratsian-kena ka manaikitr'omby am-pitsanganana
sarabe77
4462.
sasatry ny miaina ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manao sikidy
raniry
4463.
manalasala ohatry ny vozon'akoho tanora, atao nofony toa taolana, atao taolana toa nofony
raniry
4464.
manalasala ohatry ny angidina, ato mahia be tratra, atao matavy kely rambo
raniry
4465.
Maika tsy faingana toa dian'ondry
Mapa
4466.
mpamosavy tsy masina antaniny
dadabe
4467.
aza atoka monina sahala amin'ny lamba miofy
mmirranntto
4468.
aza mitsiky tsiravina otran'ny saka misotro vinaigre
mmirranntto
4469.
omby mahia tsy lelafi'ny namany
mirana5
4470.
na dia be aza ny antsy ny pirina fanala kirany, ray nabe aza ny rano ravi toto tsy mba fanasa ary tsy ny habetshan'ny antsy no hitetehana toto_kena
dadou
Voalohany
Mialoha
147
148
149
150
151
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1149