Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4861.
Tanora ratsy fiary ka antitra vao ratsy laoka.
ariel
4862.
Variana ny akanga tsara soratra ka nanary ny akoho tamana an-trano.
ariel
4863.
Ny ahiahy tsy ihavanana
ariel
4864.
Hevitrin'ny maro mahataka davitra.
ariel
4865.
Hajao ny ray aman-dreninao mba hahalavorary anao.
ariel
4866.
Ny tody tsy misy fa ny ataonao no miverina.
ariel
4867.
Izay mahavangivangy tian-kavana
ariel
4868.
ny vava no tsy atao be fa ny mamerina azy no tsy laitra
ariel
4869.
Raharaha ity hoy rapasy namonjy baly.
adolantsento
4870.
izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika
kavaly
4871.
Mivoravora ny voadidin'ny antsy noho ny voadidin'ny vava
ngafy
4872.
Rafotsibe kendam-bomanga, maty noho ny nasesiky ny tanany!
jajaf401
4873.
Tarondro nidiavin-tsarety, masony miboliaka fa fony tsy mazava
Viky
4874.
Sira latsaka an-drano tsy mimpody eky
Viky
4875.
Trano afindra tsy mitovy zoro
Viky
4876.
Namintana amalona nahazo do, samy vandambandana fa tsy izy
Viky
4877.
Raha vazo mitovy ihany re nahoana no dia hiampita rano?
pandrybe
4878.
Tovovavy sima vava ka nitombo iray ny tsininy
ainakelyio
4879.
Raha ny mpandany no hanambady ny mpitobaka, lafo hatramin'ny antsiborin-drazana
nyzo
4880.
Rafotsibe nihinan-kitoza, tsiro no nantenain-ko azo, kanjo ny hivy no niraraka.
rakekely
4881.
Aza manao toa an-drafotsibe nihinan-kitoza, tsiro no nantenain-ko azo, nefa ny hivy no niraraka
rakekely
4882.
Toy ny sola milomano ka tsy fantatra intsony izay lohany sy vodiny
winky
4883.
Rafotsibe very laona ka miandry izay higadonany
ela
4884.
ny an-tratra tsy lavo, ny raiben-kazo tolomina
bakozetra
4885.
fikasana an'olombelona fa ny didy an'andriamanitra
vale
4886.
Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andriko ihany
vale
4887.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay manao antsirambina no vaky loha.
ranjalia
4888.
Diso fanantenana toy ny makorelina bevoka, vola no notadiavina moa zaza no azo
rakal
4889.
Takatra amorom-parihy tsy matory fa miery fanahy
Malalason
4890.
Aza manao hata-dava ohatran' ny saka
zouzou
Voalohany
Mialoha
161
162
163
164
165
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.024