Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4921.
manan-karena salasala, ka manao kitamby rongony
zouzou
4922.
toy ny alika miandry embok'akondro : andrasana, tsy latsaka ; ilaozana toa hena
zouzou
4923.
faly malahelo toy ny manantena handova
zouzou
4924.
ny manantena tsy misy no sarotra, fa ny mamoy mora foana
zouzou
4925.
mandihy tsy torahan-damba
zouzou
4926.
ny tsinjaka maro mahay, fa ny dada sarotra hianarana
zouzou
4927.
lamba ka tsy misy atiny sy vohony
zouzou
4928.
toy ny lamba : raha tezitra, isikinana ; raha mandry, irakofana ; raha mandeha, itafiana
zouzou
4929.
tsy mety raha tsy mena-milahatra toy ny nify sosona
zouzou
4930.
ny hena-maso tsy mahavelona, fa ny hena masaka no mahavelona
zouzou
4931.
ny vola tsy mandry lalana toy ny rano : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
4932.
ny vola toa ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
4933.
Ny olo, a Andriatahiana, fa ny vola aman-karena Andriamitahy
zouzou
4934.
aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy
zouzou
4935.
ravinkazo nanintsana, ka ny lasa tsy azo ahoana, fa ny sisa no ampanirina
zouzou
4936.
ny lasa tsy mba miverina
zouzou
4937.
valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
zouzou
4938.
mamy kely ohatran'ny zanaka
zouzou
4939.
aza manao toy ny boka manjono : mifamitaka samy malama
zouzou
4940.
Toy ny soabakaka miaraka aman-tsahahona, ka ny lehibe no adala
zouzou
4941.
Raha adala loholona, dia adala ny vahoaka
zouzou
4942.
adala toy ny zokim-bomanga, ka ny lehibe indray no hosenan-davenona
zouzou
4943.
Tafasiry amin'ny adala, ka ny lasa ihany no averimberina
zouzou
4944.
Manalasala toa rafozan-doza : omena ny manta, tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
zouzou
4945.
Raha vinanto tsara fifidy, tsy vinanto fa isan-janaka
zouzou
4946.
Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona, tafaray samy varatra
zouzou
4947.
Rafotsibe naka harena ; hidina toa tsy hahazo, nahazo toa tsy mahazaka
zouzou
4948.
Mpikabary maloto nify, ny fiasana indray no tsy diovina
zouzou
4949.
Antoboavy toragna, loha lalagna
chichi
4950.
Teo no honiala hoy le nihaboky
salim
Voalohany
Mialoha
163
164
165
166
167
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0426