Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4921.
Raha lany harena, lany haingo.
jefra
4922.
Tsy miteny fa vola baoritra.
jefra
4923.
Ny vola toy ny vahiny: tonga anio, lasa rahampitso.
jefra
4924.
Ny vola Ramangakatsahina, ny aina Ramangatahiana.
jefra
4925.
Ny fitiavam-bola no volombodin'ny mosavy!
jefra
4926.
Kitapo tama-misy vola, ka raha mikointsam-poana mahamenatra.
jefra
4927.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty.
jefra
4928.
Maso sy orona ka alahelo no iraisana.
jefra
4929.
Ny roa no tsara noho ny iray, raha lavo misy mpanarina.
jefra
4930.
Ny vitsy lanin'ny vitsika.
jefra
4931.
Maty tsy alevin-kavana toy ny alika.
jefra
4932.
Aza manao bekibo mahihitra.
jefra
4933.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany.
jefra
4934.
Aza manao kobaka am-bava, volagna atenda, ka hatreo no miakatra ihany.
jefra
4935.
Siramamy sy tantely, samy mamy fa anaran-tsamihafa!
jentilisa
4936.
Vorondolo mibaby tantely ratsy tarehy fa mitondra ny mamy
ratom
4937.
Mpatsaka mahay mikabary, hendry ihany fa ambanin'ny tany.
jentilisa
4938.
Zazalahy mianala, ny hazon'Andriana adino fa ny fanoto no lanjalanjaina
jentilisa
4939.
Tsy misy malahelo toy ny maty vady rehefa manitsaka androngo mitsinjaka ihany.
jentilisa
4940.
Trandraka milevina an-tany mena, volon-tany no arahina
lolobainina
4941.
Ny sakaiza tsara manoatra noho ny rahalahy
jentilisa
4942.
Papango amam-borona, iray toerana, fa samy hafa faniry
zouzou
4943.
totozy sy voalavo : iray volo, fa tsy iray raharaha
zouzou
4944.
Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany
zouzou
4945.
Raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava
zouzou
4946.
Ny hazo avo halan-drivotra, ary ny manankarena halan'olona
zouzou
4947.
manan-karena salasala, ka manao kitamby rongony
zouzou
4948.
Alika miandry embok'akondro, andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
zouzou
4949.
Faly malahelo toy ny manantena handova
zouzou
4950.
ny tsinjaka maro mahay, fa ny dada sarotra hianarana
zouzou
Voalohany
Mialoha
163
164
165
166
167
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1037