Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4951.
Jerem-potsiny ohatry ny tany nahalavoana.
hery
4952.
Miharihary toy ny vay ankandrina.
hery
4953.
Didi-maso asiam-panafody mahareta fa hanana ny soa.
hery
4954.
Manao vain-drahalahy tsy mba maharary.
hery
4955.
Tsy miady tsy miady ny kobay ankelika ihany.
hery
4956.
Na fy aza ny amalona ny lela tsy atao jono.
hery
4957.
Sotro ranon'akoho izay kely azo no andrandraina.
hery
4958.
Sotro ranon' alika farany vao misy ventiny.
hery
4959.
Nanaonao foana ohatra an'Andriamanitra nanao voay
hery
4960.
Aleo miadan-koreniny toy izay mitsatsaingoka ho vantony.
fily
4961.
Tsy mahatoky saka aho fa trondro no laoka
fily
4962.
Adala nomen-tanan'ondry, na hosoloina hofany aza tsy mety.
ftma
4963.
Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body.
ftma
4964.
Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry fa avy manaraka tahaka ny alika.
ftma
4965.
Mpikarama milanja rofia: manenjan-tsandry amin'ny an'olona
ftma
4966.
lohalika sy laferana, izay miantraitraika no vazoka
ftma
4967.
Tsy misy mamy hoatran'ny zanaka fa rehefa manaikitra ny nono ahifika ihany.
fily
4968.
Aza te ho derain'ny alika ka mikiky taolana tsy misy hena.
mandrindra
4969.
Faran'ny omby ny hena, faran'ny teny ifanatrehana
mandrindra
4970.
Mahatoky ody voalavo angaha ianao no manao hena anjorondamba?
mandrindra
4971.
Toy ny valala voatango ka very fanahy mbola velona
mandrindra
4972.
Valala an-tany mena na tapak'elatra aza tsy lany pika.
mandrindra
4973.
Bevohoka tia tsakotsako ka ny andro iray no tsy tanty
fily
4974.
Diavolan-kakafotra ka ny omaly tsy miova
fily
4975.
boka ikala tsy renin'iny koto, boka ikoto tsy rain'i kala, boka vao misara mianakavy.
estine
4976.
vary efa eny andoharano tsy vitan'ny efa mijoro tsara nefa miondrika indray maka saina.
estine
4977.
Anarantany no ao Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
mandrindra
4978.
Miriorio foana toy ny angidina ka any ankady no hiafarana.
mandrindra
4979.
Salasalany toy ny akotrilahy, arahabaina tsy andriana, avela miakanjo jaky.
mandrindra
4980.
Enti-tsy zaka, avela tsy foy
mandrindra
Voalohany
Mialoha
164
165
166
167
168
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.114