Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5281.
Maty mamela mamy tahaka ny tantely
jentilisa
5282.
Aza manao soa tapany.
jentilisa
5283.
Hoditra azon'antitra: tsy hanina fa tanontanonina foana.
jentilisa
5284.
Mpanankarena mahihitra: maty vao misy milanja
jentilisa
5285.
Miaritra ny mahamay ho an'ny hafa tahaka ny takotra.
jentilisa
5286.
May loha tsy mba mihinana tahaka ny takotra
jentilisa
5287.
mpanankarena tsy mihinana: tsy tompony fa mpitahiry entana.
jentilisa
5288.
mpanankarena mahihitra: tsy tompony fa mpiandry entana
jentilisa
5289.
Mpanankarena mahihitra: mihary ho an'ny mpandevina
jentilisa
5290.
be famaritra tahaka ny rambon'osy: lanitra tsy hianjera no tohanana
jentilisa
5291.
Lehibe tratra mangala-pihinana ka hoe manandra-tsira!
jentilisa
5292.
ny fanompoana tahaka ny endim-boanjo: ny madinika ihany no may.
jentilisa
5293.
Tantely vaky: mitsentsitra avokoa na ny adala na ny hendry.
jentilisa
5294.
Borizanon'Ivakiniadiana, ny tonga ihany no matin'entana.
jentilisa
5295.
totohondry diavolana ka ny mazavaray ihany no voa
jentilisa
5296.
rafotsibe no very sira ka rangahibe no voa tehamaina.
jentilisa
5297.
Ampananona no maty vady ka Ambohitrandraina no miongo-bolo
jentilisa
5298.
very maina tahaka ny tantely nahoso-bato
jentilisa
5299.
Very maina toy ny menaka nahoso-bato.
jentilisa
5300.
Voarabe endriky ny saha
jentilisa
5301.
tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanĂ na
jentilisa
5302.
tanora be sondrotr'aina mety ho faty alohan'ny marary
jentilisa
5303.
Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty.
jentilisa
5304.
valalan'amboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika.
jentilisa
5305.
tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka
jentilisa
5306.
mpandany ny azo tahaka ny zaza mpandova
jentilisa
5307.
Aza manaram-po tahaka ny kary an'efitra.
jentilisa
5308.
manaram-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
jentilisa
5309.
Ny manan-dray no anarina ka ny kamboty no mahazo aloha.
jentilisa
5310.
ny zoky be toa ray ihany
jentilisa
Voalohany
Mialoha
175
176
177
178
179
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0732