Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5221.
Manao tany tsy misy fanjakana
JMR
5222.
Misosa tsy voizina toy ny lakam-bezo
JMR
5223.
Basy mamaha-tena
JMR
5224.
Danik'andro mamaky loha sola
JMR
5225.
Singam-bolo mandavo ny vositra
JMR
5226.
Banga misioka rivotra fotsiny
JMR
5227.
Ravinkazo nanintsana ka ny sisa no ampaniriana
JMR
5228.
Aza manao sahala @ jamba mangery amoron-tevana ka latsaka aloan'ny tainy
fotaka
5229.
Aza matikambo ôtran-ny saka ny tay totofana nefa ny vody tsy firana.
fotaka
5230.
mangahazo malemy; mangidy atelina ka ho hanina amin'ny halemem-panahy.
RfandresenaA
5231.
Varotra amponga an-tanana; sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny.
jentilisa
5232.
adin'ny mpivady: tokoam-bary aza iadiana
jentilisa
5233.
Tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha.
jentilisa
5234.
Manao loa-bary mitahy vady
jentilisa
5235.
tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy tahaka ny torimaso.
jentilisa
5236.
ny fahafatesana tsy manisa ny aina efa matiny.
jentilisa
5237.
Tsy mahavaly fitia toa zaza
jentilisa
5238.
Nofon-kena an-tanan-tsaka: lasa tsy miverina intsony.
jentilisa
5239.
Mandamina ny an'olona nefa feno tseroka sy mirongo fakofako tahaka ny fihogo sy fandraotra ibangoana.
jentilisa
5240.
Maty mamela mamy tahaka ny tantely
jentilisa
5241.
Aza manao soa tapany.
jentilisa
5242.
Hoditra azon'antitra: tsy hanina fa tanontanonina foana.
jentilisa
5243.
Mpanankarena mahihitra: maty vao misy milanja
jentilisa
5244.
Miaritra ny mahamay ho an'ny hafa tahaka ny takotra.
jentilisa
5245.
May loha tsy mba mihinana tahaka ny takotra
jentilisa
5246.
mpanankarena tsy mihinana: tsy tompony fa mpitahiry entana.
jentilisa
5247.
mpanankarena mahihitra: tsy tompony fa mpiandry entana
jentilisa
5248.
Mpanankarena mahihitra: mihary ho an'ny mpandevina
jentilisa
5249.
be famaritra tahaka ny rambon'osy: lanitra tsy hianjera no tohanana
jentilisa
5250.
Lehibe tratra mangala-pihinana ka hoe manandra-tsira!
jentilisa
Voalohany
Mialoha
173
174
175
176
177
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0244