Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5161.
Ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy
doum
5162.
Rafotsy be mita -tatatra ka manokatra ny efa mikombona
doum
5163.
ANtitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
doum
5164.
Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora, raha tanora no tsy handihy modia ho antitra raha antitra no tsy hampiady kalo, modia ho razana, raha razana no tsy hitahy mifoha hiady vomanga
doum
5165.
Tsy miady tsy miady, ny kibay akelika ihany
doum
5166.
Ramaka nandalo ny tana-may
doum
5167.
Ataovy toy ny ady vomanga ny kirija vola tonga de ny voamasony no potsirina
doum
5168.
Raha lava ny ahitra very ny kisoa ary raha lava ny resaka very ny soa
doum
5169.
Teny maro tsy hilaozan'ota
doum
5170.
Aleo mifanena @mpamosavy toyizay mifanena @mpandainga
doum
5171.
Varivarin'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso
doum
5172.
Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany
doum
5173.
Ny nenina tsy eo aloha hananatra fa ao aorina handatsa
doum
5174.
Akoho lahy fahavaratra ka rebarebany ihany
doum
5175.
Tambatambazo ny mpamosavy hameloman'anaka
doum
5176.
Rafotsy be very laona ka miandry izay higadonany
doum
5177.
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka
doum
5178.
Mitatatra ho an'i Rainilezafy
JMR
5179.
Zoky be toa ray, zandry mahaleo mahalasana
JMR
5180.
Henin-kaja, henim-boninahitra
JMR
5181.
Ny maniraka andriana mahabotrabotra
JMR
5182.
ny mandringa tsy omentehana hono mahatsiaro fahoriana mivadibadika tahaka ny lela may
estine
5183.
Aza mitarain-tana-miepaka
jentilisa
5184.
Be famaritra toa rambon'osy
jentilisa
5185.
Takalom-patsa vidim-pihinanana
jentilisa
5186.
manalasala toy ny volom-bava: atao hoe volom-bava tsy eo amin'ny vava, atao hoe volo-tsaoka tsy fiteny
Lalakely
5187.
manambady ny lava mitahiry tohatra an-trano, manambady ny fohy mitahiry tapak'aponga
Lalakely
5188.
Manalasala toa lava nify mamangy fahoriana, atao eo aloha toa mananihany, atao any aoriana ohatry ny hanaikitra
Chuan
5189.
toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
palince
5190.
raha maniry ny an' ny hafa asandrato ny an 'ny tena
bozimanga
Voalohany
Mialoha
171
172
173
174
175
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0235