Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ndra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ndra
Hampiditra ohabolana
511.
Soa lavo hahay hamindra soa kenda hahay hitsako
vale
512.
Raha tsy dotra tsy miandra
vale
513.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra ny mangidy tsy ho telina
vale
514.
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay
Fanja1
515.
Gisalahy homan-ketsa, izy mangalatra indray no avo vava
jentilisa
516.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
517.
Aza manao gisalahy homan-ketsa ka ny homana ny an'olona indray no avo feo.
lanto
518.
Soa kenda hahay mitsako; soa lavo hahay mamindra.
lanto
519.
Tsy mba ny tsy avy no andrasana, fa ny vono-kalaina
hery
520.
Tolo-kena maty jiro, ka vintana no andrasana.
lanto
521.
Vilany be nandrahoan-kena tsy hilaozan' izay motimotiny ho diso
hery
522.
Aza malaina manao zavatra; fa ny mosary indray maraina tsy efa foana.
hery
523.
Aza manao toy ny jorery, ny feo mampita lohasaha, fa ny tenany tsy ampy indraim-bava.
hery
524.
Ataovy fitian-dranon'erika: madini-piavy fa mahatondra-drano
hery
525.
Aza manao fihavanan-karena, ka tomany handratra ny sasany
hery
526.
Aza ny vato handrĂ tra ny loha ihany no sainina, fa mba hevero koa ny fasika handitsoka ny maso.
hery
527.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
528.
Aza manao ganagana lahy : ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
hery
Voalohany
Mialoha
16
17
18
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.03