Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ndra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ndra
Hampiditra ohabolana
421.
Alika miandry embok'akondro, andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
zouzou
422.
adala toy ny zokim-bomanga, ka ny lehibe indray no hosenan-davenona
zouzou
423.
Mpikabary maloto nify, ny fiasana indray no tsy diovina
zouzou
424.
Avy vinanto marani-pangady, avy rafozana vondrak'akoho.
ftma
425.
Anti-dahy mangery amoron-kady ka izy indray no latsaka alohan'ny tainy.
panjakely
426.
Boka mangata-pitahina, Andriamanitra ivavahana indray no ambanana totohondry.
panjakely
427.
Sotro ranon'akoho izay kely azo no andrandraina.
hery
428.
vary efa eny andoharano tsy vitan'ny efa mijoro tsara nefa miondrika indray maka saina.
estine
429.
Aleo kely jerena toy izay be tsy andraofana
doum
430.
Herikerika mahatondra-drano
doum
431.
Isika hanateran-kira indray ve no milaza tsy mahay
doum
432.
Izay nantenain-kanirina indray no maika vo nampivandravandra
doum
433.
Hianao handrandrana indray ve no hanafenana loha sola.
doum
434.
Aza tia torimaso fa ndrao hotonga malahelo
doum
435.
Tain'omby mivadika aza tsisy mpandray
doum
436.
Ny adidy tsy an'olondratsy
doum
437.
Bangon'ilay takatra ka indray paoka de vita
doum
438.
raha maniry ny an' ny hafa asandrato ny an 'ny tena
bozimanga
439.
Indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe
JMR
440.
mandray tsy raisina tahaka ny tsipolotra
jentilisa
441.
Alika miandry embok'akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena.
jentilisa
442.
Amboan-dreningodona, izay mitondra kitapo arahina avokoa.
jentilisa
443.
Fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ny tompony indray no milela-tanana
jentilisa
444.
Aza mandray an-tendrony
JMR
445.
Ny erikerika mahatondra-drano
JMR
446.
Aza mandray tsy raisina
JMR
447.
Mandamina ny an'olona nefa feno tseroka sy mirongo fakofako tahaka ny fihogo sy fandraotra ibangoana.
jentilisa
448.
Lehibe tratra mangala-pihinana ka hoe manandra-tsira!
jentilisa
449.
Ampananona no maty vady ka Ambohitrandraina no miongo-bolo
jentilisa
450.
Poa tahak'izay toa firaisan'akoho : indray mitsaingoka dia vita
JMR
Voalohany
Mialoha
13
14
15
16
17
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0205