Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5731.
ny mitondra tehina mora fa ny mitondra tena sarotra.
jentilisa
5732.
Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa
JMR
5733.
Noana tsy manan-kangatahina, voky tsy manan-kanolorana ny momba
jentilisa
5734.
Ny vady no tiana ka ny rafozana no malala
jentilisa
5735.
Miasa jamba rafozana, herim-po very foana
jentilisa
5736.
Be setrasetra ka mamely daka rafozana
jentilisa
5737.
Arahabao ihany izay hita fa tsy fantatra izay fara-rafozana
jentilisa
5738.
Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona
jentilisa
5739.
Rafozana jamba: aleony hanateran-tsira kely toy izay omen-damba tsara
jentilisa
5740.
Aleo tsy tiam-bady toy izay tsy tian-drafozana
jentilisa
5741.
ny hovadiana be ihany fa ny horafozanina no tsy misy
jentilisa
5742.
Ory ampiana toa vehivavy rafy
jentilisa
5743.
Rafotsibe naka rafy ka naka loza ho an'ny tena
jentilisa
5744.
faravady anadahy
jentilisa
5745.
Mpitery mahita ny tohany ary mpirohy mahita ny traingony
jentilisa
5746.
foza lahy atakalo foza vavy
jentilisa
5747.
Boka mihalo-poza, mipaka ihany fa tsy mitondra
jentilisa
5748.
Boka mihinan-kitoza ny fihinana lavorary fa ny manala kaka no ady mafana
jentilisa
5749.
Be filaza fa kely fitondra
jentilisa
5750.
Fatra-pila tombony ka natombony
jentilisa
5751.
Hafahafa toa sifotra ka ny tamenany indray no ariana
jentilisa
5752.
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana ka sendra izay homan'olona
jentilisa
5753.
Be raharaha ve dia ny voly vary indray no tsy efa?
jentilisa
5754.
Vatan'oron-dambo mitrongy vao homana
jentilisa
5755.
mampakatra feta tsy madity, avy ny orana dia akipany
jentilisa
5756.
Tongo-boromahery tsy maka an-kasarotana
jentilisa
5757.
tafika efa nidika tsy azo ajanona intsony
jentilisa
5758.
tongotra mby an-dakana ka tsy mimpody intsony
jentilisa
5759.
Nahoana no mpanefy ka dombo antsy?
jentilisa
5760.
tehatehaka tsy mampiempa-tanana
jentilisa
Voalohany
Mialoha
190
191
192
193
194
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0268