Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
5821.
Ny hazo tokana tsy mba ala
hery
5822.
Tsy misy mitolo-batana, fa izay melo-bava no meloka
hery
5823.
Toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka
hery
5824.
Teny tsy azo mampihazohazo
hery
5825.
Tantely tapa-bata ka ny vava no mameno azy
hery
5826.
Raha tsy mahalà izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
hery
5827.
Ny teny malemy mahamora harena
hery
5828.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany
hery
5829.
Ny teny toy ny fonosana ka izay mamono no mamaha
hery
5830.
Ny teny toy ny tory hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
hery
5831.
Ny teny toy ny ombimanga anaty vero, ka raha pizina latsaka an-kady
hery
5832.
Ny teny toy ny ketsa ka izay mahalana sosohana
hery
5833.
Ny teny imaso tsy mba kilema
hery
5834.
Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda ka hatreo no ho miakatra ihany
hery
5835.
Raha sosoa no ataon-dRahavana, izaho irery no mahatan-kadivory, roa lahy mahasakana arivo
hery
5836.
Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-teny, vava no manala ; raha revon'alahelo, ny havana itarainana
hery
5837.
Raha mahita ny asa vadi-drano, alao aho ray maro, fa raha tonga ny amalom-boa sira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty aho
hery
5838.
Ny havan-tiana tsy iaraha-monina
hery
5839.
Ny lozabe maty tsy atrehin-kavana dia toy ny adrisa ka mamikitra ahitra irery
hery
5840.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana
hery
5841.
Ny havana ihany no manavangavana
hery
5842.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'Ilaimora : ny aloha vaosafosafo ary ny aoriana voatehatehaka
hery
5843.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka soron'afo no hita
hery
5844.
Maty tsy alevin-kavana toy ny amboa
hery
5845.
Mafanafana ohatry ny ratsy ataon-kavana
hery
5846.
Lahiantitra manin-kavana : hitsinjo, tsy mahita, handeha tsy afaka
hery
5847.
Izay mahavangivangy tian-kavana
hery
5848.
Havan-tiana tsy mahalavi-tany
hery
5849.
Havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa havan-tetezina
hery
5850.
Aza sarotra ihamboana toa havan-dratsy
hery
First
Previous
193
194
195
196
197
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0402