Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe arena
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
arena
Hampiditra ohabolana
31.
Harena tsy lovain-janaka ny fahaizana.
aivetinakely
32.
Andriamanitra miahy ny madinika fa tsy manary kosa ny adalan-karena ho very
stefcom
33.
Fitiavan-karena ka ny voninahitra ihany no milanja azy.
aivetinakely
34.
Aza manao tovolahy tia daka: ny andro hiainana mbola ho lava, fa tovon karena ho lany.
kanto1
35.
ny hanina hoanina fa ny harena mila vintana
elyzo
36.
Mitafa amin'ny mpanan-karena ka mita-kitay atao hiditrano
niryna
37.
Ny fahasalamana dia ambony lavitra noho ny fananan-karena
niryna
38.
Tsy hanan-karena mihitsy hianao raha ny hanisa ny volan'ny hafa eo.
niryna
39.
Tia ady ka lany harena
niryna
40.
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena.Ary tsara ny fitia noho ny voafotsy sy ny volamena
niryna
41.
Na manan-karena tahaka ny inona aza, tsy fanao ny manasa tongo-dronono, na manontsam-bava tantely.
aivetinakely
42.
Terak'omby fahavaratra, sady lalao no harena.
aivetinakely
43.
Izay lany harena lany haingo.
aivetinakely
44.
AZa manao fihavanan-karena ka;tomany handratra ny sasany.
niryna
45.
Ny harena toy ny volon'orona ;kely alana maharary, be alana maharary
Moundzee
46.
boka mikavina; tsy haingo fa fitehirizan-karena
latina
47.
aza manao fihavan-karena, ka tomany handratra ny sasany
latina
48.
Aza tsy tia olona, fa ny olona no harena
latina
49.
Manao ondry tsy harena, ka misorona ondry boka
latina
50.
Tsy misy mivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, , tsy tonga.
latina
51.
mpanan-karena manjono raha mahazo fanampin-daoka raha tsy mahazo fialamboly
dadou
52.
Mpanankarena mahihitra, ka manao Soavaly, voalavo
gotsolahy
53.
Hano ny hanina fa ny harena mila vintana
herikely
54.
mpanankarena manjono ka tsy mahazo naman'ny vonona ary raha mahazo atao fanampin-daoka
rindraintsoa
55.
Boka mikavina, tsy haingo fa fitehirizan-karena. Boka mangala-pary : ny fary tsy azo, fa ny tanana feno lay. Boka mangala-boatavo, ka mifampitolona samy malama.
natix007
56.
Ny teny tsara mahamora harena
hery
57.
Tapotapohan-karena ka mibaby kisoa miampita rano
dadou
58.
Manankarena mahihitra, maty vao misy mpilanja.
jefra
59.
Raha lany harena, lany haingo.
jefra
60.
ny hazo avo halan-drivotra, ary ny manankarena halan'olona
zouzou
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0267