Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe kena
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
kena
Hampiditra ohabolana
31.
Toy ny jaka: tsy hanin-kahavoky, fa nofon-kena mitam-pihavanana.
latina
32.
Tsy kivy tsy ketraka ka homan-kena tsy lasam-bidy
latina
33.
Pokopokon-kena, tsy hanina avao no tsy am-pamaky
SENATERA
34.
Tsy ampahafirin'izay bevohoka ratsian-kena ka manaikitr'omby am-pitsanganana
sarabe77
35.
na dia be aza ny antsy ny pirina fanala kirany, ray nabe aza ny rano ravi toto tsy mba fanasa ary tsy ny habetshan'ny antsy no hitetehana toto_kena
dadou
36.
na dia tsy vidimbola aza ny rano, ny toto-kena tsy fanasa
ampitiavanabe
37.
Na maro aza ny antsy toto-kena tsy azo tetehina
dadou
38.
Mahihitra an'ombika ka mantsin-kena.
jefra
39.
Nofon-kena an-tanan-tsaka: lasa tsy miverina intsony.
jentilisa
40.
Vely ampongan'ny Manendy, ny andahiny dobodobohina ny ambaviny kenakenaina.
jentilisa
41.
Trafon-kena ome-mahery ambava homana am-po mieritreritra
JMR
42.
Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra
hery
43.
Matin-kenamaso, ka mihinam-barim-boka
hery
44.
Leon-drakena, ka ny tany mena avy no andosirana
jentilisa
45.
Sakanam-bato, afa-kenatra.
jentilisa
46.
Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambonin'ny fe
jentilisa
47.
Tia ihany ka saro-kenatra?
jentilisa
48.
Vary dimiventy namidy vozon-kena, kely ihany fa misavily any an-katony
McFy
49.
ny kely no manaiky manaiky amin-tahotra; ny lehibe no manaiky manaiky amin-kenatra
jentilisa
50.
Ny teny toa ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra.
ftma
51.
Trafon-kena ome-mahery, am-bava homana am-po mieritra
jentilisa
52.
Matin-kena-maso, ka mihinam-barim-boka.
lanto
53.
Tolo-kena maty jiro, ka vintana no andrasana.
lanto
54.
Vilany be nandrahoan-kena tsy hilaozan' izay motimotiny ho diso
hery
55.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0285