Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe kosa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
kosa
Hampiditra ohabolana
31.
Izay mitambatra vato fa izay misaraka kosa dia fasika
niryna
32.
Raha mitambatra isika dia vato, fa raha misaraka kosa dia fasika
niryna
33.
Mihomehy hianao, mihomehy ny rehetra, mitomany kosa hianao dia hianao irery no manao izany
niryna
34.
Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy, fa ahazo voninahitra kosa ny manetry tena
niryna
35.
Mety ho diso fanantenana raha tsy nahomby saingy voa mafy kosa raha tsy nanao ezaka
niryna
36.
Ny vavolombelona marina milaza izay hitany fa ny vavolombelona ratsy kosa milaza lainga
niryna
37.
Raha mitomany hianao, dia hianao irery no mitomany fa raha mihomehy kosa hianao dia mihomehy miaraka aminao ny amban'ny lanitra.
niryna
38.
Toy ny akoholahy an' Antanantanana ka ny mazava mitarika vady maro fa ny alina kosa mandry amin'ny tainy
rtol
39.
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina;Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alaheko kosa.
niryna
40.
Raha miha-maro ny marina, dia faly ny vahoaka fa raha.Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka dia misento kosa izy.
niryna
41.
Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa, fa ny endry kosa manindry fo
niryna
42.
Mahantra kosa Ramomba, fa mihary ho an-janan-drafy.
ikalamako
43.
Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa ny fanahy ratsy kosa azo ovana
niryna
44.
Rehefa maty ny hatao, sao-bakaka aza mampidi-dranoketsa, fa rehefa tsy hety kosa, ranon'ampago aza misy voay !
hr9296
45.
Sambatra kosa Raherana, fa manan-kierana, sambatra Razozoro, fa manan-kijoroana, fa mahantra kosa Ratatamo: velona manao ranomaso an-tenda, maty manao ranomaso havozona.
latina
46.
ny manenjika ny osa enjehin'ny mahery kosa.
jentilisa
47.
Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valam-parihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.
jentilisa
48.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0167