Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe miara
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
miara
Hampiditra ohabolana
31.
Fihavanan-takatra, faly miara-mitokàka, malahelo miara-mitokiky
aivetinakely
32.
Tatamo iray farihy, faly miara-manatrika, tezitra miara-mihodina
aivetinakely
33.
fitia miara-maniry, ka raha lany ny anao dia lany koa ny ahy
latina
34.
vorondolo miaraka amin'akoho: mitaha fa tsy mba havanay
latina
35.
Toa tatamo am-parihin-dRasahala isika: ka raha faly, miara-manatrika, tezitra, miara-mihodina.
latina
36.
Miaraka amin'ny ferena ka ny tsara fanahy no maimbo
latina
37.
aza manao toy ny tandindona, miaraka ihany, fa tsy azo ho namana
latina
38.
Misy rony, miara-misotro, misy ventiny, miara-mitsako
latina
39.
Zavarin'ny fitia manan-tombo ka intselo no miarahaba.
latina
40.
Miaramila be nify ka tsy mandalo katsa-maina
herikely
41.
aleo miaraka lavitra @olona anakiray tohizay tsy misy fihafarana @olona be dia be
Enouf
42.
Toy ny soabakaka miaraka aman-tsahahona, ka ny lehibe no adala
zouzou
43.
Tonga tsy miarahaba naman'ny tezitra lasa tsy manao veloma naman'ny sosotra
doum
44.
Be elanelana hoatran'ny samy be kibo miara-mandihy
JMR
45.
Izay miaraka amin'ny amboalambo dia amboalambo
JMR
46.
Zavarin'ny fitia manantombo ka intelo miarahaba ihany
jentilisa
47.
Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty
Vetso
48.
Miara-dia samy miavona ka ny eo aloha tsy miandry, ny ao aoriana tsy miantso
Avahi
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0174