Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe raza
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
raza
Hampiditra ohabolana
31.
Naniraka amalona hantsaka, afoizo fa tonga an-tanindrazany.
aivetinakely
32.
Raha tanora tsy ho jejo dia aleo maty ho razana
latina
33.
Sendra masaka, tokony hihinana, avy tsy asaina, nasesiky ny razana.
latina
34.
tonga tsy nasaina nasesiky ny razana
amina6
35.
Raha ny mpandany no hanambady ny mpitobaka, lafo hatramin'ny antsiborin-drazana
nyzo
36.
Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora, raha tanora no tsy handihy modia ho antitra raha antitra no tsy hampiady kalo, modia ho razana, raha razana no tsy hitahy mifoha hiady vomanga
doum
37.
Raha nahafaty ny fifosana efa be no lasan-ko-razana
JMR
38.
Tonga tsy nampoizina nasesiky ny razana
JMR
39.
Izay mandoro tanety, mandoro tanindrazana
JMR
40.
Izay tonga aloha no tompon-tanindrazana
JMR
41.
Raha razana tsy hitahy, fohazy hiady vomanga
JMR
42.
Zaza no tsy hilalao mandihiza ho tanora. Tanora no tsy handihy mitafĂ ho lehibe. Lehibe tsy hiresaka midira ho antitra. Antitra tsy hitso-drano, mitahian-ko razana, fa raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga
jentilisa
43.
Lambo soso-nify ka nentim-paharazana
Fanja1
44.
Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga
lanto
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2277