Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe saro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
saro
Hampiditra ohabolana
31.
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina amin-kavana.
soanja
32.
Mpanompolahy latsaka avara-patana ka saro-miala.
soanja
33.
Kiady eny amoron'ny hantsana ka tsy hasarotana fa fitiavana.
soanja
34.
Tsy ny oran-dasa no anjairan-tsarotro, fa ny mbola ho avy.
soanja
35.
sarotsy omen-tsiny fa mandikadika akoa tompo-paty avy nangery
kiriah
36.
Saro-tiavina toy ny landy ka tiana vao misafotofoto
kiriah
37.
Ny manapaka mora foana fa ny man-do fototra no sarotra
kiriah
38.
Sarotiavina toy ny hao, loloavina ndray vao manaikitra
kiriah
39.
Aza atao toy ny boka mangalam-pihinana, ka lany andro eo ampilalaovana sarom-bilany.
ainamitia
40.
Fisaka ny marina ka saro-patarina
niryna
41.
Ny ratsy mora ianarana fa ny tsara saro-takarina
Corice
42.
Rafozan-tsarotiny ka ny zanaka no misolo vady isam-bolana.
aivetinakely
43.
Mandidy hena ambony fe, manao sorona ny saro-pady.
aivetinakely
44.
Mora ny miteny fa sarotra ny mamita hafatra
niryna
45.
Rafozan-tsarotiny ka mibaby heloka amin'ny androm-pahanterana.
aivetinakely
46.
Ny manantena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
47.
saro-tadiavina toy ny sinoa ngita volo
Raherizo
48.
Voninkazo tsara saro-belomina ka mampisara-bady raha tsy mitandrina
aivetinakely
49.
Ny manatena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
50.
Kely tratry ny sarotra hoatra ny misao-bady tezitra
niryna
51.
Sarotiavina toa tain-delo
Riella
52.
Saro-tiana toa landy mohaka:ka tiana vao misaritaka
niryna
53.
Toy ny haran-domotra saron-javona ka izay misakasaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty an-tenantenan-tsolatra !
ontsy
54.
Ny zaza fanomezana ka izay manana maro no tsy mahatsapa ny hasaro-bidiny.
aivetinakely
55.
Ny vady filàna hevitra , ny namana mpanavotra amin'ny sarotra
aivetinakely
56.
Ny rano am-parihy, hono, no fanovo amin-jinga, ny vary no fitoto an-daona, ary ny sompitra ambany rihana no miantoka ny taon-tsarotra.
aivetinakely
57.
-tsarovy fa ny lainga dia aretina mikiky ny tokatrano.
tendry77
58.
Trano bongo misy ronono ka sarotra ny atao hoe malahelo.
sylvoalias
59.
Fisaka ny marina ka sarotra fatarina
niryna
60.
Mora ny mitondra tehina fa sarotra ny mitondra tena
niryna
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0167