Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe saro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
saro
Hampiditra ohabolana
61.
Ny ranomaso no zavatra sarotra atelina indrindra
niryna
62.
Ny fitiavana dia saro tadiavina toa tao-polesy
niryna
63.
Ny manantena ny tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
niryna
64.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo
niryna
65.
Ny antonony sarotra ilaina
niryna
66.
Trano-bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo
niryna
67.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo.
aivetinakely
68.
Trano bongo misy ronono toa sarotra atao malahelo
anahely
69.
Ketsa vaventy ka sarotra atao lahirodona
ikalamako
70.
Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina.
niryna
71.
Vilagny misarogna dekoa misy raha.
lanto
72.
Tano ny azo fa sarotra ny mila.
niryna
73.
Mpanelanelana sarotra toa tatamo
niryna
74.
Sarotr'entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta, Tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
latina
75.
Kely tratry ny sarotra ohatra ny misao-bady tezitra
latina
76.
Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana
latina
77.
Vay an-kandrina, ka sarotra afenina
latina
78.
Tandremo ny hanan-drariny, fa ny olombelona toy ny tsingala sy ny dinta, ka saro-mifanaikitra.
latina
79.
Aza sarotra ihamboana toa avan-dratsy
latina
80.
Anao aho ka mora; fa raha an'olona aho dia sarotra.
latina
81.
Tarehy ratsy nataon-janahary, ka tsy vanon-kisaronan-doha.
latina
82.
sarotra tiavina toa rano mangatsiaka sotroina be loatra mankarary kibo
gozonel
83.
Ririnin-dasa tsy tsaroana
FRanaivo
84.
Aza atao fitia telefĂ´nina ka raha tsy maneno tsy tsaroana
cooper
85.
saro-tiavina ohatran'ny po hamanizana vao velon-kira
cmbolatiana
86.
saro-tiavina ohatry ny zavatra ka omen-kanina vao mihenjana
nalaina
87.
Sarotin'alahelo ka tia tsiri-pasana
tia
88.
Toy ny aretina ny alahelo: ka ao ny morainy, ao ny sarotiny
tia
89.
anao aho ka mora, fa raha anon'olona aho dia sarotra
sissia
90.
Hoy ty antimo any hoe: tano ny azo fa sarotse ty mila
roscarb
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4584