Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tarehy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tarehy
Hampiditra ohabolana
31.
Ratsy tarehy andeha lanona ka ny maraina ihany no izy.
niryna
32.
Tsara tarehy tia fosa, ka ny toetra ratsiny no niendahan'ny olona aminy
aivetinakely
33.
Aza misengy manana vady tsara tarehy, fa ny hatsaràny ihany no hamadihany anao.
aivetinakely
34.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolankolana.
aivetinakely
35.
Raha tsara tarehy kanefa tsy manana fanahy dia toy ny ako-bolamena ka mamiratra jerena
niryna
36.
ratsy tarehy be vody, tsy avelan'ny vodiny hiahaka
badboy
37.
Aza atao tsy tiako bika, tsy tiako tarehy.
niryna
38.
Toy ny haloky ny tarehy eo amin'ny rano ny fo, izay havoakan'ny vavanao no maha hianao anao.
niryna
39.
Vady tiana zegny mitombo tarehy
Ambininjanahary
40.
Fitaka ny fahatsaram-bika ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy.Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no ho deraina
niryna
41.
Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy.
niryna
42.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolakolaka
aivetinakely
43.
Ny tarehy no andRahiratra, fa ny vintana andRatsitamoraina
aivetinakely
44.
Izay tiana mitombo tarehy.
niryna
45.
Izay tiana hono mitombo tarehy.
niryna
46.
Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa ny fanahy ratsy kosa azo ovana
niryna
47.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolanolana
latina
48.
manana ny adala maha tezi-tarehy
latina
49.
Tsiboboka sy toho: rano no iraisana, fa ny tarehy samy hafa
latina
50.
Ny tsiny toy ny rivotra: mikasika ny tena, fa tsy hita tarehy.
latina
51.
Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy.
latina
52.
Tarehy ratsy nataon-janahary, ka tsy vanon-kisaronan-doha.
latina
53.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolankolana.
mikavao
54.
ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolan-kolana
rindraintsoa
55.
Sola manasa tarehy ka vita tsy nahy hatramin'ny loha
Falitiana2005
56.
Vorondolo mibaby tantely ratsy tarehy fa mitondra ny mamy
ratom
57.
Tovovavy ratsy tarehy ka ny volo no aholakolana
doum
58.
Petak'orona tsara tarehy ka voatondro iray no tsininy
doum
59.
Tsara tarehy petak'orona, voatondro iray monja no tsininy.
jentilisa
60.
ny tarehy an-dRahiratra, fa ny vintana an-dRatsitamoraina.
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0177