Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tompo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tompo
Hampiditra ohabolana
31.
Misarebaka ny lamba indrana, ka nony tonga endahin'ny tompony.
soanja
32.
Tsakitsakin-jaza: tompony indraika izarana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
33.
Sadika gny fagnahy : tompony my hodidigniny.
soanja
34.
Tono lavi-tompo; ka tsy may, manta.
soanja
35.
Toy ny andevo tompoi-manompo.
soanja
36.
Akohokely voahitsa-dreniny ka tsy hala fa tompom-pitia.
soanja
37.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
38.
Tsikirity momba fody, ka tsy tompon-dia fa mpanaraka.
soanja
39.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
40.
Roborobo no an'ny vahiny, fa ny tompon-trano no mandraoka ny lavenona.
soanja
41.
Akondro kely avara-tanana, ka raha avo manan-tompo.
soanja
42.
sarotsy omen-tsiny fa mandikadika akoa tompo-paty avy nangery
kiriah
43.
Vatolampy nanasan-dandy, ka ny lavenona lasan'ny rano, ny landy lasan'ny tompony.
soanja
44.
Mirohadrohake hoy fory matory tompo
kimbol
45.
Fitia voazara, ny maharitra no tompony.
aivetinakely
46.
Alika mahia, sady tsy mahavita adidy no manala barĂ ka ny tompony
aivetinakely
47.
Ny mpamendrofendro no betsaka fa ny tompony mahazaka ihany
niryna
48.
Aza mba mamitaka jamba fa ny Tompo no miady ho azy.
aivetinakely
49.
Mijoro tsy amin'ahiahy tahaka ny vatolahy tompoina.
aivetinakely
50.
Izay mankahala andriana tompoina tsy mitsinjo taranaka, izay manompo andriana masiaka tsy mijery ny ho avy.
aivetinakely
51.
boka mangala-boatavo ka miandry ny tompony hanatatao
Raherizo
52.
Ombimahia lavatandroka, tsy voninahitra ho an'ny tompony fa famenoana isa fotsiny.
aivetinakely
53.
Adala ny tia ka ny tompom-bady no hafarana
aivetinakely
54.
Mitsoalatsoala tahaka ny kavina lava ka jejo alohan'ny tompony
aivetinakely
55.
Izay tonga aloha tompon-dasy
niryna
56.
Ny tompon'alahelo leo ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
57.
Mitsangan-kitondra ny tenin'Andriana tahaka ny tompomenakely voairaka.
ontsy
58.
Izay miteny lango eo imason'ny vary, mitafy lamba eo imason'ny tompony.
aivetinakely
59.
Adala ny manina ka tompom-bady no hafarana.
aivetinakely
60.
mindrana angady lohataona ka maniraka ny tompony hiasa
elyzo
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0183