Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tompo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tompo
Hampiditra ohabolana
91.
Izay tonga aloha no tompon-tanindrazana
JMR
92.
Manao ny tompony toy ny mpihambo
McFy
93.
Andevolahy namosavy tompo, nahazo hena indray manokona fa tapa-taona miongo-bolo ihany.
jentilisa
94.
Adala ny manina ka tompom-bady no hafarana
vaovao
95.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka
McFy
96.
Mindrana angady fahavaratra, maniraka ny tompony hiasa
JMR
97.
mitompo teny fatratra toy ny antsikely be zarana
jentilisa
98.
Tompo-trano mihono
jentilisa
99.
horakoraka ny an'ny sahona fa ny tsiboboka no tompon'ny rano
jentilisa
100.
Alahelo tsy ambara havana, zakan'ny tompony ihany
DIDIH
101.
Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha.
ftma
102.
Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia
jentilisa
103.
Ny zoky no tompon'ny teny ny zandry no tompon'ny entana
vale
104.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
105.
Ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
hanta77
106.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka.
lanto
107.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
Voalohany
Mialoha
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0517