Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tsaka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tsaka
Hampiditra ohabolana
31.
Katsaka an-tanimena ka ny baby kambana tsy misy, fa zara raha mahavelon-tena.
soanja
32.
Tsy katsaka ka hiteraka tehezana.
soanja
33.
Toy ny harefo, ka marotsaka ivelany fa miefitra anaty.
soanja
34.
Lamba rongony fahan-kafotra ka isalakana, manaiki-balahana; itafiana, asampina vao miporotsaka.
soanja
35.
Tovovavy miady an-tanana ka tsy avelan'ny fantsakana tsy hiray.
soanja
36.
Mpanompolahy latsaka avara-patana ka saro-miala.
soanja
37.
Ny latsaka te hitovy, ny mitovy te hihoatra.
soanja
38.
Mampakatra feta tsy madity ka raha avy ny orana dia mihotsaka.
soanja
39.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery.
soanja
40.
Tsy izay hosoran-tsakay no mangidy, na izay hosoran-tantely no mamy.
soanja
41.
Vikin'alina ka aleo tafahoatra, toy izay latsaka.
soanja
42.
Voalavo latsaka an-ketona, ka halavoana leo ihany fa ny akoralava no tsy laitra.
soanja
43.
Vary amin'anana ilaofan-tsakay, ka tiana hasiaka ny malaolao.
soanja
44.
sotro ranon'ny mahantra tsy ala hetaheta fa fanampi-tsakafo
bemena
45.
Aza manao baby roa toa katsaka
niryna
46.
Aza atao toy ny mpatsaka am-bovo, ny mpamangy mototra ny vangiana mitanatana vava
Rapha
47.
Katsaka anaty lapoaly ka izay tsy mahatanty mipitika aloha.
aivetinakely
48.
Katsaka maniry an-tanety na baby tokana aza tsy misy.
aivetinakely
49.
Betsaka ny mandray ny toro-hevitra fa izay misaina ka mandray izany ihany no mahazo tombon-tsoa
niryna
50.
Maty vady mitokiky, mitsinjaka ihany rehefa manitsaka afo.
aivetinakely
51.
Aza mifaninana amin'ny oron-tsaka, fa na an'arivony metatra aza mandre fofona foana.
aivetinakely
52.
Ny mpamendrofendro no betsaka fa ny tompony mahazaka ihany
niryna
53.
Kabarin-tsaka, tso-drano no ifanomezana.
aivetinakely
54.
Volamena latsaka am-bovoka, ka tsy avelan'ny masony tsy hamiratra.
aivetinakely
55.
Dedaka famindra tahaka ny akoho, kanefa rehefa manitsaka sahafa lavo ihany.
aivetinakely
56.
Lambolahy nandia hosy, manitsaka ny efa malemy
amson
57.
Mangery amoron-tevana ka latsaka alohan'ny tay
rafan78
58.
Aza manao fivorian'alika ka ny dinika tsy misy tapaka fa ny orokoroka no betsaka
epsedo
59.
Aza manao famakiloha anaty katsaka: ka izay mitranga Rangahy avokoa.
kanto1
60.
Aza manao tahon katsaka am body fahitra, ka izay miposaka mena somotra daholo.
kanto1
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0376