Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
zanaka
Hampiditra ohabolana
31.
Toy ny ray aman-dreny: ny iray niteraka, ny iray niampofo.
latina
32.
aza manao hoe: tombo Ifaralahy, fa naterako
latina
33.
maromaroa ny fiteraka, fa tsy ilaozan'izay ho tsara
latina
34.
Zanaka velon-kalina, ka ny am-pony hafa, ny am-poko hafa.
latina
35.
tsara raha naniry zaza ka tera-dahy
latina
36.
Bevohoka tsy mahalala andro, ka raha teraka izy, babena.
latina
37.
angady tokana: raha tapaka tsy misy hanakambana azy indray
latina
38.
Mahita loza Ikalamomba fa misambo-balala ho anjanak'olona.
jentilisa
39.
Samy zanaka ve no atao tombo sy hala?
jentilisa
40.
Maromaroa ny fiteraka fa tsy hilaozan'izay ho tsara.
jentilisa
41.
Jejo reny, botry anaka
hery
42.
Jangareny ka botry anaka
hery
43.
Zanaky ny omby masiaka tsy mba matahotra ny reniny
jentilisa
44.
Didi-maso maro anaka ka tsy mahita ny efa nihinana
McFy
45.
Zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsan-kazo
McFy
46.
Tsy misy mamy toy ny zanaka fa raha manaiki-nono ahifika
McFy
47.
Raha zanaka tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba hahita
McFy
48.
Tokan'anaka ka sarin'ny momba
McFy
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0106