Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anao
Hampiditra ohabolana
571.
Aza manao fihavanam-bato ka tapaka tsy azo atohy intsony.
jentilisa
572.
Mpiasabe vonton'anatra, eny an-tsena avy no manao mbay ilalana
jentilisa
573.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
574.
Manao olona milakamilaka nefa ataon'olona milaka mihohoka
hanta77
575.
Aza manao gisalahy homan-ketsa ka ny homana ny an'olona indray no avo feo.
lanto
576.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
lanto
577.
Aza manao fihavan-molotra : tezitra vao mifanantona.
lanto
578.
Aza manao fitia rano trambo : be fihavy fa mora lasa.
lanto
579.
Tsy nisy nanao soa ohatra ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho.
lanto
580.
Tsy hivady angaha no manao ianareo
sahoby
581.
Aza manao kitapo hamelana ny lolompo, na hadivory hasiana ny fitaka
hery
582.
Aza malaina manao zavatra; fa ny mosary indray maraina tsy efa foana.
hery
583.
Aza manao toy ny jorery : ny feo mampita lohasaha, fa ny tenany tsy ampy indraim-bava.
hery
584.
Aza manao fihavanan-karena, ka tomany handratra ny sasany
hery
585.
Aza manao masoandro ririnina, manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana
hery
586.
Aza manao toy ny voavahy : tsy mahajoro tena, fa mitomany hisarangotra ny sasany.
hery
587.
Aza manao ganagana lahy : ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
hery
588.
Manao an'Andriamanitra tsy hisy, ka mitsambiki-mikipy
eugene
Voalohany
Mialoha
18
19
20
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0897