Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
6481.
manao olona milakamilaka nefa ataon'olona milaka mihohoka
hanta77
6482.
Ny ratsy fo tsy mba manan-kavana
Fanja1
6483.
aza manao soa tapany
Fanja1
6484.
Aleo ratsy tarehy fa tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy
Fanja1
6485.
Aza manao gisalahy homan-ketsa ka ny homana ny an'olona indray no avo feo.
lanto
6486.
Andriamanitra tsy andrin'ny olona andriko ihany
Fanja1
6487.
Aza manendry tena ohatra ny alika ho any an-tsena.
lanto
6488.
Ny kary no manao izay ataony, ka ny saka no voatapa-drambo.
lanto
6489.
Vava kisoa misy sira: ka tokinao hihinana azy.
lanto
6490.
Malaza ho lahy ka tsy mandry an-efitra!
lanto
6491.
Ny manantena tsy misy no sarotra, fa ny mamoy mora foana.
lanto
6492.
Tapi-dalana aleha ohatra ny soki-manani-bato.
lanto
6493.
Tanana havia sy havanana, ka izay didiana maharary.
lanto
6494.
Valala voatango ka very fanahy mbola velona.
lanto
6495.
Na amboako na amboan'olona, izay vandana dia kary.
lanto
6496.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka.
lanto
6497.
Ny nenina tsy mipetraka hatao Mbay làlana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa.
lanto
6498.
Ny nenina tsy aloha fa aoriana.
lanto
6499.
Matin-kena-maso, ka mihinam-barim-boka.
lanto
6500.
Soa kenda hahay mitsako; soa lavo hahay mamindra.
lanto
6501.
Soro-baton'ilay jamba, ka voa vao mihilana.
lanto
6502.
Mahery tsy maody tsy ela velona.
lanto
6503.
Fy ny toho, fy ny amalona, fa ny lelako tsy ataoko jono.
lanto
6504.
Manontany tsy loza, manjohy tsy atambo.
lanto
6505.
Ramalina aza mifehy hazo tokana.
lanto
6506.
Aza dia miandry teza ho potraka
hery
6507.
Ny mahery tsy maody tsy ela velona
hery
6508.
Asavadi-drano tsy vita tsy ifanakonana.
lanto
6509.
Tsy mba ny tsy avy no andrasana, fa ny vono-kalaina
hery
6510.
Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika
hery
Voalohany
Mialoha
215
216
217
218
219
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102