Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
6301.
Vitsika nahazo valala, tonga ny entana fa ny vava no tsy omby
hery
6302.
Akoho mikotrika atodim-borona, ka miongo-bolo amin'ny tsy ho an'ny tena
hery
6303.
Ataovy fitian-dranon'erika: madini-piavy fa mahatondra-drano
hery
6304.
Toy ny osivavy somorina : ny lova tamin-dray tsy avela, ary ny hetra tamin-dreny tsy diso.
hery
6305.
Tsy misy hianteherana toa bozaka; tanora, sakafon'ny omby; antitra, sakafom-patana
hery
6306.
Aza manao fihavanan-karena, ka tomany handratra ny sasany
hery
6307.
Toto vary lena ka samy te-ho lohany
hery
6308.
Aza ny toho mihahy no tazanina fa ny lefo-mitsangana.
hery
6309.
Aza ny tarehiko mavomavo no jerenao fa ny havako an-dilambato heverina
Fanja1
6310.
Tahaka ny jiafotsy : vao tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy hilaozan-dromoromo
hery
6311.
Didy maso tsara ondana, ka mandrimandry manana aretina.
hery
6312.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
6313.
Aleo kely fanahy sitrak'olona, toy izay be fanahy maty foana
hery
6314.
Aza manao masoandro ririnina, manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana
hery
6315.
Toy ny mitari-drano ririnina : miala amin'izay nitoerany, fa tsy tonga amin'izay alehany
hery
6316.
Ny olombelona toy ny embok'akondro, raha manondro ny lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny lafiny.
hery
6317.
Aza ny vato handrĂ tra ny loha ihany no sainina, fa mba hevero koa ny fasika handitsoka ny maso.
hery
6318.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona, hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
6319.
Ny olona marina ohatry ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
hery
6320.
Aza manao toy ny voavahy : tsy mahajoro tena, fa mitomany hisarangotra ny sasany.
hery
6321.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
6322.
Aza manao ganagana lahy : ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
hery
6323.
Aza mitoe-poana ohatry ny vato : ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra
hery
6324.
Avo fijery Andriamanitra, ka mahita ny takona
eugene
6325.
Manao an'Andriamanitra tsy hisy, ka mitsambiki-mikipy
eugene
6326.
Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
eugene
6327.
Ny olombelona toy ny amalona an-drano ka be siasia
eugene
Voalohany
Mialoha
209
210
211
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.028