Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
631.
Ny firaisana no mateza ny fifankatiavana no tady mandrohy azy.
yveratsimb
632.
Ny fahadiovana sy ny filaminana, ny fiasana sy ny fitsitsiana : izay tokan-trano miorina amin'izany tsy mba ho rava
yveratsimb
633.
Ilay Kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa.
yveratsimb
634.
Aza manao hoe : " an'ny lehilahy ihany", na hoe " an'ny vehivavy ihany"
yveratsimb
635.
Ampanambadiana lasan'olona, omby namidy tsy an'ny tena
yveratsimb
636.
Ny fanambadiana tahaka ny menaka, ka raha manalavitra ny afo dia mandry
yveratsimb
637.
Ny fihavanana ohatra ny landy : maty isika, ifonosana ; velona itafiana ; ka ny madilana arahim-panondro.
yveratsimb
638.
Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana
yveratsimb
639.
Fitia savony, tiana fa avalana rano
yveratsimb
640.
Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
yveratsimb
641.
Lahy antitra kendan’ovy : tsy atolak’olona, fa matin’ny nasesiky ny tànany
yveratsimb
642.
Boka mihinan-kitoza : ny fihinanana no lavorary, fa ny manala kaka no ady mafy.
yveratsimb
643.
Lahy antitra kendam-body akoho : mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso ; tonga ny valim-pitia vao voa totohondry an-katony.
yveratsimb
644.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo ateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
yveratsimb
645.
Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony ; manam-bady fohy, mitahiry tapak’aponga ; manam-bady ny loza be, mitahiry varatra an-trano
yveratsimb
646.
Mioty manta ka leony, miringiringy ka potraka
yveratsimb
647.
Haitraitran'olombelona, zaka-Nanahary, fa Andriamanitra ihany no mandidy.
yveratsimb
648.
Mpisakaiza toa mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny
yveratsimb
649.
Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valamparihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia
yveratsimb
650.
Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaka ny ampitso aho tia olon-kafa.
yveratsimb
651.
Aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranonorana ho avy
yveratsimb
652.
Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy
yveratsimb
653.
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory ; fa izay mitapi-maso hahazo ozona be
yveratsimb
654.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-zafy intsony.
yveratsimb
655.
Tantely be ronono ny fitiavana ka arakaraky ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.
yveratsimb
656.
Vorombola miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay.
yveratsimb
657.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly
yveratsimb
658.
ny teny ierana tsy mba loza ; tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina.
yveratsimb
659.
Ny Havana aza mba hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana
yveratsimb
660.
Ny be no basy
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
20
21
22
23
24
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0552